마가복음 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 43절
- 1 Ary tonga teny am-pitan’ ny ranomasina tao amin’ ny tanin’ ny Gerasena izy ireo.
- 2 Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin’ izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin’ ny fasana ka nifanena taminy,
- 3 fa nitoetra tao amin’ ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin’ ny gadra aza.
- 4 Fa efa nafatony matetika tanin’ ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin’ ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin’ ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
- 5 Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin’ ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin’ ny vato.
- 6 Fa nony nahita an’ i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany
- 7 sady niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin’ Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,
- 8 satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin’ ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.
- 9 Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.
- 10 Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin’ izany tany izany.
- 11 Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin’ ny tendrombohitra.
- 12 Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin’ ny kisoa mba hiditra any aminy.
- 13 Dia neken’ i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin’ ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin’ ny hantsana ho any amin’ ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin’ ny ranomasina izy.
- 14 Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany;
- 15 ary tonga tany amin’ i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona.
- 16 Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin’ ny olona izay natao tamin’ ilay demoniaka sy ny amin’ ny kisoa.
- 17 Ary nifona tamin’ i Jesosy izy mba hiala amin’ ny taniny.
- 18 Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy.
- 19 Nefa tsy navelan’ i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao.
- 20 Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon’ i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.
- 21 Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy.
- 22 Dia avy ny anankiray tamin’ ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an’ i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony
- 23 ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona.
- 24 Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy.
- 25 Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin’ ny folo taona
- 26 sady efa niaritra zavatra be tamin’ ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza;
- 27 koa rehefa nahare ny amin’ i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany.
- 28 Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.
- 29 Ary niaraka tamin’ izay dia ritra ny loharanon’ aretiny, ka tsaroany tao amin’ ny tenany fa sitrana izy.
- 30 Ary niaraka tamin’ izay dia fantatr’ i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan’ ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany?
- 31 Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy?
- 32 Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.
- 33 Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra.
- 34 Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ ny aretinao.
- 35 Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin’ ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?
- 36 Fa tsy nahoan’ i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin’ ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.
- 37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin’ i Jakoba.
- 38 Ary dia tonga tao an-tranon’ ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan’ i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.
- 39 Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.
- 40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ izay olona teo aminy ka niditra tao amin’ izay nisy an-drazazavavy.
- 41 Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.
- 42 Dia nitsangana niaraka tamin’ izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin’ ny folo taona izy. Ary niaraka tamin’ izay dia talanjona indrindra ny olona.
- 43 Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’ olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗