마가복음 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 41절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary nampianatra teo amoron’ ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin’ ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina. | And he began again to teach by the sea side: and there was gathered unto him a great multitude, so that he entered into a ship, and sat in the sea; and the whole multitude was by the sea on the land. |
| 2 | Ary nampianatra azy zavatra maro tamin’ ny fanoharana Izy ka nilaza tamin’ ny fampianarany azy hoe: | And he taught them many things by parables, and said unto them in his doctrine, |
| 3 | Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy. | Hearken; Behold, there went out a sower to sow: |
| 4 | Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany. | And it came to pass, as he sowed, some fell by the way side, and the fowls of the air came and devoured it up. |
| 5 | Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina. | And some fell on stony ground, where it had not much earth; and immediately it sprang up, because it had no depth of earth: |
| 6 | Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy. | But when the sun was up, it was scorched; and because it had no root, it withered away. |
| 7 | Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. | And some fell among thorns, and the thorns grew up, and choked it, and it yielded no fruit. |
| 8 | Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. | And other fell on good ground, and did yield fruit that sprang up and increased; and brought forth, some thirty, and some sixty, and some an hundred. |
| 9 | Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. | And he said unto them, He that hath ears to hear, let him hear. |
| 10 | Ary raha tao amin’ ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin’ ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy. | And when he was alone, they that were about him with the twelve asked of him the parable. |
| 11 | Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; fa amin’ ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin’ ny fanoharana; | And he said unto them, Unto you it is given to know the mystery of the kingdom of God: but unto them that are without, all these things are done in parables: |
| 12 | mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony. | That seeing they may see, and not perceive; and hearing they may hear, and not understand; lest at any time they should be converted, and their sins should be forgiven them. |
| 13 | Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra? | And he said unto them, Know ye not this parable? and how then will ye know all parables? |
| 14 | Ny mpamafy dia mamafy ny teny. | The sower soweth the word. |
| 15 | Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin’ izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy. | And these are they by the way side, where the word is sown; but when they have heard, Satan cometh immediately, and taketh away the word that was sown in their hearts. |
| 16 | Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ ny hafaliana; | And these are they likewise which are sown on stony ground; who, when they have heard the word, immediately receive it with gladness; |
| 17 | nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’ izay izy. | And have no root in themselves, and so endure but for a time: afterward, when affliction or persecution ariseth for the word’s sake, immediately they are offended. |
| 18 | Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin’ ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny, | And these are they which are sown among thorns; such as hear the word, |
| 19 | fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. | And the cares of this world, and the deceitfulness of riches, and the lusts of other things entering in, choke the word, and it becometh unfruitful. |
| 20 | Ary ireto no ilay voafafy teny amin’ ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. | And these are they which are sown on good ground; such as hear the word, and receive it, and bring forth fruit, some thirtyfold, some sixty, and some an hundred. |
| 21 | Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan’ ny vata famarana, na hatao ao ambanin’ ny farafara? Tsy hatao amin’ ny fanaovan-jiro va izy? | And he said unto them, Is a candle brought to be put under a bushel, or under a bed? and not to be set on a candlestick? |
| 22 | Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho. | For there is nothing hid, which shall not be manifested; neither was any thing kept secret, but that it should come abroad. |
| 23 | Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. | If any man have ears to hear, let him hear. |
| 24 | Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo. | And he said unto them, Take heed what ye hear: with what measure ye mete, it shall be measured to you: and unto you that hear shall more be given. |
| 25 | Fa izay manana no homena; ary ny amin’ ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. | For he that hath, to him shall be given: and he that hath not, from him shall be taken even that which he hath. |
| 26 | Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan’ Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin’ ny tany | And he said, So is the kingdom of God, as if a man should cast seed into the ground; |
| 27 | ka matory sy mahatsiaro isan’ alina sy isan’ andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny | And should sleep, and rise night and day, and the seed should spring and grow up, he knoweth not how. |
| 28 | Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa. | For the earth bringeth forth fruit of herself; first the blade, then the ear, after that the full corn in the ear. |
| 29 | Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin’ izay, fa efa tonga ny fararano. | But when the fruit is brought forth, immediately he putteth in the sickle, because the harvest is come. |
| 30 | Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan’ Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy? | And he said, Whereunto shall we liken the kingdom of God? or with what comparison shall we compare it? |
| 31 | Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin’ ny tany; | It is like a grain of mustard seed, which, when it is sown in the earth, is less than all the seeds that be in the earth: |
| 32 | Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon’ ny voro-manidina itoerana ny alokalony. | But when it is sown, it groweth up, and becometh greater than all herbs, and shooteth out great branches; so that the fowls of the air may lodge under the shadow of it. |
| 33 | Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina. | And with many such parables spake he the word unto them, as they were able to hear it. |
| 34 | Ary raha tsy tamin’ ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin’ ny mangingina no nilazany tamin’ ny mpianany ny hevitr’ ireo rehetra ireo. | But without a parable spake he not unto them: and when they were alone, he expounded all things to his disciples. |
| 35 | Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. | And the same day, when the even was come, he saith unto them, Let us pass over unto the other side. |
| 36 | Ary rehefa nampodin’ ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin’ io sambokely io tamin’ izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy. | And when they had sent away the multitude, they took him even as he was in the ship. And there were also with him other little ships. |
| 37 | Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran’ ny alon-drano ny sambokely ka nila ho feno rano. | And there arose a great storm of wind, and the waves beat into the ship, so that it was now full. |
| 38 | Ary Jesosy natory teo am-bodin’ ny sambokely tambonin’ ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao? | And he was in the hinder part of the ship, asleep on a pillow: and they awake him, and say unto him, Master, carest thou not that we perish? |
| 39 | Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ ny ranomasina hoe: Mangìna, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. | And he arose, and rebuked the wind, and said unto the sea, Peace, be still. And the wind ceased, and there was a great calm. |
| 40 | Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo? | And he said unto them, Why are ye so fearful? how is it that ye have no faith? |
| 41 | Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy? | And they feared exceedingly, and said one to another, What manner of man is this, that even the wind and the sea obey him? |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL