마가복음 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 35절
- 1 Ary niditra tao amin’ ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray maty tanana teo.
- 2 Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin’ ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy.
- 3 Dia hoy Jesosy tamin’ ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany.
- 4 Ary hoy koa Izy tamin’ ny olona: Inona moa no mety hatao amin’ ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.
- 5 Ary nony nijerijery azy tamin’ ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
- 6 Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin’ izay dia niray tetika tamin’ ny Herodiana izy hanohitra an’ i Jesosy mba hahafaty Azy.
- 7 Ary Jesosy mbamin’ ny mpianany niala teo ka nankany amin’ ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia
- 8 sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin’ i Jordana ary tamin’ ny tany manodidina an’ i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.
- 9 Ary Izy nilaza tamin’ ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.
- 10 Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.
- 11 Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak’ Andriamanitra.
- 12 Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.
- 13 Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.
- 14 Ary nanendry roa ambin’ ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny
- 15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.
- 16 Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;
- 17 ary Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona, rahalahin’ i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra;
- 18 ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak’ i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana
- 19 ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
- 20 Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy.
- 21 Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
- 22 Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an’ i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan’ ny demonia no amoahany ny demonia.
- 23 Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon’ i Satana ahoana no famoaka an’ i Satana?
- 24 Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.
- 25 Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.
- 26 Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.
- 27 Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.
- 28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak’ olombelona amin’ ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;
- 29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masìna kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin’ ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,
- 30 satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.
- 31 Ary avy ny reniny mbamin’ ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.
- 32 Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.
- 33 Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?
- 34 Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!
- 35 Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗