디모데후서 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 디모데후서 (2 Timothy) · 26절
- 1 Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ ny fahasoavana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
- 2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.
- 3 Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran’ i Kristy Jesosy.
- 4 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ ny raharahan’ izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.
- 5 Ary raha misy manezaka amin’ ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.
- 6 Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.
- 7 Diniho izay lazaiko, fa homen’ ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ ny zavatra rehetra ianao.
- 8 Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ ny maty, dia Ilay avy tamin’ ny taranak’ i Davida, araka ny filazantsarako,
- 9 izay iaretako fahoriana hatramin’ ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’ Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.
- 10 Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ ny olom-boafidy, mba hahazoan’ ireny koa famonjena, dia izay ao amin’ i Kristy Jesosy, mbamin’ ny voninahitra mandrakizay.
- 11 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
- 12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
- 13 fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.
- 14 Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’ ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,
- 15 Mazotoa manolotra ny tenanao amin’ Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.
- 16 Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,
- 17 ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan ireny Hymeneo sy Fileto,
- 18 izay nania tamin’ ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ ny maty, dia mamadika ny finoan’ ny sasany.
- 19 Kanefa ny fanorenana mafy nataon’ Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: “Ny Tompo mahalala ny azy”, ary koa: “Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ ny Tompo hiala amin’ ny ratsy.”
- 20 Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.
- 21 Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ ny Tompo, voavoatra ho amin’ ny asa tsara rehetra.
- 22 Fa mandosira ny filan’ ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’ izay miantso ny Tompo amin’ ny fo madio.
- 23 Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.
- 24 Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
- 25 mananatra ny mpanohitra amin’ ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,
- 26 ka hody ny sainy ho afaka amin’ ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗