디모데후서 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 디모데후서 (2 Timothy) · 26절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ ny fahasoavana izay ao amin’ i Kristy Jesosy. | Thou therefore, my son, be strong in the grace that is in Christ Jesus. |
| 2 | Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. | And the things that thou hast heard of me among many witnesses, the same commit thou to faithful men, who shall be able to teach others also. |
| 3 | Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran’ i Kristy Jesosy. | Thou therefore endure hardness, as a good soldier of Jesus Christ. |
| 4 | Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ ny raharahan’ izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. | No man that warreth entangleth himself with the affairs of this life; that he may please him who hath chosen him to be a soldier. |
| 5 | Ary raha misy manezaka amin’ ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. | And if a man also strive for masteries, yet is he not crowned, except he strive lawfully. |
| 6 | Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra. | The husbandman that laboureth must be first partaker of the fruits. |
| 7 | Diniho izay lazaiko, fa homen’ ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ ny zavatra rehetra ianao. | Consider what I say; and the Lord give thee understanding in all things. |
| 8 | Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ ny maty, dia Ilay avy tamin’ ny taranak’ i Davida, araka ny filazantsarako, | Remember that Jesus Christ of the seed of David was raised from the dead according to my gospel: |
| 9 | izay iaretako fahoriana hatramin’ ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’ Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. | Wherein I suffer trouble, as an evil doer, even unto bonds; but the word of God is not bound. |
| 10 | Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ ny olom-boafidy, mba hahazoan’ ireny koa famonjena, dia izay ao amin’ i Kristy Jesosy, mbamin’ ny voninahitra mandrakizay. | Therefore I endure all things for the elect’s sakes, that they may also obtain the salvation which is in Christ Jesus with eternal glory. |
| 11 | Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; | It is a faithful saying: For if we be dead with him, we shall also live with him: |
| 12 | raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika; | If we suffer, we shall also reign with him: if we deny him, he also will deny us: |
| 13 | fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany. | If we believe not, yet he abideth faithful: he cannot deny himself. |
| 14 | Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’ ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino, | Of these things put them in remembrance, charging them before the Lord that they strive not about words to no profit, but to the subverting of the hearers. |
| 15 | Mazotoa manolotra ny tenanao amin’ Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana. | Study to shew thyself approved unto God, a workman that needeth not to be ashamed, rightly dividing the word of truth. |
| 16 | Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ ny haratsiam-panahy ihany izy ireny, | But shun profane and vain babblings: for they will increase unto more ungodliness. |
| 17 | ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan ireny Hymeneo sy Fileto, | And their word will eat as doth a canker: of whom is Hymeneus and Philetus; |
| 18 | izay nania tamin’ ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ ny maty, dia mamadika ny finoan’ ny sasany. | Who concerning the truth have erred, saying that the resurrection is past already; and overthrow the faith of some. |
| 19 | Kanefa ny fanorenana mafy nataon’ Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: “Ny Tompo mahalala ny azy”, ary koa: “Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ ny Tompo hiala amin’ ny ratsy.” | Nevertheless the foundation of God standeth sure, having this seal, The Lord knoweth them that are his. And, Let every one that nameth the name of Christ depart from iniquity. |
| 20 | Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka. | But in a great house there are not only vessels of gold and of silver, but also of wood and of earth; and some to honour, and some to dishonour. |
| 21 | Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ ny Tompo, voavoatra ho amin’ ny asa tsara rehetra. | If a man therefore purge himself from these, he shall be a vessel unto honour, sanctified, and meet for the master’s use, and prepared unto every good work. |
| 22 | Fa mandosira ny filan’ ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’ izay miantso ny Tompo amin’ ny fo madio. | Flee also youthful lusts: but follow righteousness, faith, charity, peace, with them that call on the Lord out of a pure heart. |
| 23 | Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany. | But foolish and unlearned questions avoid, knowing that they do gender strifes. |
| 24 | Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, | And the servant of the Lord must not strive; but be gentle unto all men, apt to teach, patient, |
| 25 | mananatra ny mpanohitra amin’ ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina, | In meekness instructing those that oppose themselves; if God peradventure will give them repentance to the acknowledging of the truth; |
| 26 | ka hody ny sainy ho afaka amin’ ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony. | And that they may recover themselves out of the snare of the devil, who are taken captive by him at his will. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL