디모데후서 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 디모데후서 (2 Timothy) · 17절
- 1 Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
- 2 Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masìna,
- 3 tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,
- 4 mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra,
- 5 manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
- 6 Fa isan’ ireny izay misokosoko miditra any an-tranon’ ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran’ ny fahotana, entin’ ny filàna maro,
- 7 mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
- 8 Ary tahaka ny nanoheran’ i Jana sy Jambra an’ i Mosesy no anoheran’ ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.
- 9 Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ ny olona rehetra, tahaka ny an’ ireo koa.
- 10 Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,
- 11 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’ izany rehetra izany.
- 12 Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, izay ao amin’ i Kristy Jesosy, dia henjehina.
- 13 Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.
- 14 Fa ianao kosa dia mahareta amin’ izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany;
- 15 fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masìna, izay mampahahendry anao ho amin’ ny famonjena amin’ ny finoana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
- 16 Izay soratra rehetra nomen’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ ny fahamarinana,
- 17 mba ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ ny asa tsara rehetra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗