디모데후서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 디모데후서 (2 Timothy) · 18절
- 1 Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza ny fiainana izay ao amin’ i Kristy Jesosy,
- 2 mamangy an’ i Timoty, zanako malala: ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
- 3 Misaotra an’ Andriamanitra aho, Izay tompoiko araka ny nataon’ ny razako amin’ ny fieritreretana madio, fa tsy manam-pitsaharana akory ny fahatsiarovako anao amin’ ny fivavahako andro aman’ alina;
- 4 ary maniry hahita anao aho (satria tsaroako ny ranomasonao), mba ho feno fifaliana aho;
- 5 fa nisy nahatsiarovako ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, izay nitoetra taloha tao anatin’ i Loisa renibenao sy Eonika reninao, ary matoky aho fa ao anatinao koa izany.
- 6 Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra, izay ao anatinao tamin’ ny fametrahako ny tanako.
- 7 Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
- 8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin’ Andriamanitra,
- 9 Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ ny fiantsoana masìna, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’ i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola;
- 10 fa naharihary ankehitriny tamin’ ny nisehoan’ i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin’ ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay;
- 11 ny amin’ io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra.
- 12 Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin’ izay andro izay.
- 13 Tano amin’ ny finoana ny ny fitiavana ao amin’ i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.
- 14 Ilay zavatra tsara natolotra anao dia tehirizo amin’ ny fampaherezan’ ny Fanahy Masìna, Izay mitoetra ao anatintsika.
- 15 Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan’ ireny Fygelo sy Hermogena.
- 16 Homen’ ny Tompo famindram-po anie ny ankohonan’ i Onesiforosy; satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako;
- 17 fa raha tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra ka nahita
- 18 (ny Tompo anie hampahita azy famindram-po amin’ ny Tompo amin’ izay andro izay); ary ny hafatratry ny nanompoany ahy tany Efesosy dia fantatrao tsara.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗