디모데전서 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 디모데전서 (1 Timothy) · 16절
- 1 Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ ny andro aoriana dia hihemotra amin’ ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia,
- 2 amin’ ny fihatsaram-belatsihin’ ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany,
- 3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon’ Andriamanitra ho an’ izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin’ ny fisaorana.
- 4 Fa ny zavatra rehetra nataon’ Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin’ ny fisaorana,
- 5 satria hamasinin’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny fivavahana izany.
- 6 Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’ izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an’ i Kristy Jesosy, tezaina amin’ ny tenin’ ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.
- 7 Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra.
- 8 Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra no mahasoa amin’ ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
- 9 Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra.
- 10 Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’ Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
- 11 Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro.
- 12 Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ ny mino ianao amin’ ny fiteny, amin’ ny fitondran-tena, amin’ ny fitiavana, amin’ ny finoana, amin’ ny fahadiovana.
- 13 Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.
- 14 Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan’ ny loholona.
- 15 Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’ izany, mba hiseho amin’ ny olona rehetra ny fandrosoanao.
- 16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’ izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗