디모데전서 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 디모데전서 (1 Timothy) · 16절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ ny andro aoriana dia hihemotra amin’ ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia, | Now the Spirit speaketh expressly, that in the latter times some shall depart from the faith, giving heed to seducing spirits, and doctrines of devils; |
| 2 | amin’ ny fihatsaram-belatsihin’ ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, | Speaking lies in hypocrisy; having their conscience seared with a hot iron; |
| 3 | izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon’ Andriamanitra ho an’ izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin’ ny fisaorana. | Forbidding to marry, and commanding to abstain from meats, which God hath created to be received with thanksgiving of them which believe and know the truth. |
| 4 | Fa ny zavatra rehetra nataon’ Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin’ ny fisaorana, | For every creature of God is good, and nothing to be refused, if it be received with thanksgiving: |
| 5 | satria hamasinin’ ny tenin’ Andriamanitra sy ny fivavahana izany. | For it is sanctified by the word of God and prayer. |
| 6 | Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’ izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an’ i Kristy Jesosy, tezaina amin’ ny tenin’ ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao. | If thou put the brethren in remembrance of these things, thou shalt be a good minister of Jesus Christ, nourished up in the words of faith and of good doctrine, whereunto thou hast attained. |
| 7 | Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra. | But refuse profane and old wives’ fables, and exercise thyself rather unto godliness. |
| 8 | Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra no mahasoa amin’ ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. | For bodily exercise profiteth little: but godliness is profitable unto all things, having promise of the life that now is, and of that which is to come. |
| 9 | Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra. | This is a faithful saying and worthy of all acceptation. |
| 10 | Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’ Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino. | For therefore we both labour and suffer reproach, because we trust in the living God, who is the Saviour of all men, specially of those that believe. |
| 11 | Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro. | These things command and teach. |
| 12 | Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ ny mino ianao amin’ ny fiteny, amin’ ny fitondran-tena, amin’ ny fitiavana, amin’ ny finoana, amin’ ny fahadiovana. | Let no man despise thy youth; but be thou an example of the believers, in word, in conversation, in charity, in spirit, in faith, in purity. |
| 13 | Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. | Till I come, give attendance to reading, to exhortation, to doctrine. |
| 14 | Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan’ ny loholona. | Neglect not the gift that is in thee, which was given thee by prophecy, with the laying on of the hands of the presbytery. |
| 15 | Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’ izany, mba hiseho amin’ ny olona rehetra ny fandrosoanao. | Meditate upon these things; give thyself wholly to them; that thy profiting may appear to all. |
| 16 | Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’ izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao. | Take heed unto thyself, and unto the doctrine; continue in them: for in doing this thou shalt both save thyself, and them that hear thee. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL