디모데전서 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 디모데전서 (1 Timothy) · 16절
- 1 Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.
- 2 Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,
- 3 tsy mpimamo lian’ ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,
- 4 manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ ny fahamaotinana tsara
- 5 (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’ Andriamanitra?),
- 6 tsy izay zazavao amin’ ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ ny fahamelohan’ ny devoly.
- 7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’ izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
- 8 Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
- 9 mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin’ ny finoana amin’ ny fieritreretana madio.
- 10 Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.
- 11 Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ ny zavatra rehetra.
- 12 Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.
- 13 Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ ny tenany sy fahasahiana be amin’ ny finoana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
- 14 Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza aho;
- 15 fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon’ Andriamanitra, dia ny fiangonan’ Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ ny fahamarinana.
- 16 Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ ny nofo, nohamarinina tao amin’ ny Fanahy; hitan’ ny anjely, notorina tany amin’ ny jentilisa, ninoana teny amin’ izao tontolo izao, nakarina tamin’ ny voninahitra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗