디모데전서 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 디모데전서 (1 Timothy) · 25절
- 1 Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy,
- 2 ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ ny fahadiovana rehetra.
- 3 Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.
- 4 Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’ Andriamanitra.
- 5 Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an’ Andriamanitra ka maharitra amin’ ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman’ alina
- 6 Fa izay vehivavy manaram-po amin’ ny fahafinaretana dia maty fahavelony.
- 7 Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.
- 8 Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
- 9 Aza soratana ho isan’ ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihany
- 10 ary tsara laza amin’ ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masìna, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.
- 11 Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan’ i Kristy izy, dia ta-hanam-bady
- 12 ka hahazo fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.
- 13 Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an’ olona ka manao teny tsy mety.
- 14 Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy.
- 15 Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an’ i Satana.
- 16 Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra ny fiangonana, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa.
- 17 Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin’ ny teny sy ny fampianarana.
- 18 Fa hoy ny Soratra Masìna: “Aza manakombona ny vavan’ ny omby mively vary ianao” Ary koa: “Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany”.
- 19 Aza mandray teny hiampangana loholona, raha tsy misy vavolombelona roa na telo.
- 20 Izay manota dia anaro eo anatrehan’ ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.
- 21 Mananatra anao mafy aho eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin’ ny fiangarana.
- 22 Aza malaky mametra-tanana amin’ olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin’ ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.
- 23 Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.
- 24 Ny fahotan’ ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin’ ny fitsarana, fa ny an’ ny sasany kosa manaraka ato aoriana.
- 25 Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗