데살로니가전서 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 데살로니가전서 (1 Thessalonians) · 28절
- 1 Fa ny amin’ ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,
- 2 satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ ny alina ny andron’ ny Tompo.
- 3 Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.
- 4 Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.
- 5 Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ ny alina na an’ ny maizina isika.
- 6 Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.
- 7 Fa izay matory dia matory amin’ ny alina; ary izay mamo dia mamo amin’ ny alina.
- 8 Fa satria an’ ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.
- 9 Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
- 10 Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.
- 11 Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.
- 12 Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ ny Tompo ary mananatra anareo,
- 13 ary mba hohajainareo indrindra amin’ ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.
- 14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin’ ny olona rehetra.
- 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin’ ny namanareo na amin’ ny olona rehetra.
- 16 Mifalia mandrakariva.
- 17 Mivavaha, ka aza mitsahatra.
- 18 Misaora amin’ ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’ Andriamanitra ao amin’ i Kristy Jesosy ho anareo.
- 19 Aza mamono ny Fanahy.
- 20 Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.
- 21 Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.
- 22 Fadio ny fanao ratsy rehetra.
- 23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ ny fihavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
- 24 Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
- 25 Ry rahalahy, mivavaha ho anay.
- 26 Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin’ ny fanorohana masìna.
- 27 Mampianiana anareo amin’ ny Tompo aho mba hovakina amin’ ny rahalahy rehetra ity epistily ity.
- 28 Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗