데살로니가전서 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 데살로니가전서 (1 Thessalonians) · 18절
- 1 Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’ i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’ Andriamanitra ― dia araka ny andehananareo ihany ― no hitomboanareo bebe kokoa.
- 2 Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin’ i Jesosy Tompo.
- 3 Fa izao no sitrapon’ Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana,
- 4 mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ ny fahamasinana sy ny voninahitra,
- 5 tsy amin’ ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’ Andriamanitra,
- 6 mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’ izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’ izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo.
- 7 Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ ny fahalotoana, fa amin’ ny fahamasinana.
- 8 Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masìna.
- 9 Fa ny amin’ ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin’ Andriamanitra hifankatia.
- 10 Fa manao izany ihany ianareo amin’ ny rahalahy rehetra eran’ i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa,
- 11 ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ ny tananareo araka ny nandidianay anareo,
- 12 mba handehananareo amin’ izay fitondran-tena mahamendrika amin’ ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory ianareo.
- 13 Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
- 14 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’ Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin’ i Jesosy hiaraka aminy.
- 15 Fa izao no lazainay aminareo amin’ ny tenin’ ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
- 16 Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;
- 17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ ny habakabaka; dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika.
- 18 Koa dia mifampionòna ianareo amin’ izany teny izany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗