데살로니가후서 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 데살로니가후서 (2 Thessalonians) · 12절
- 1 Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ ny Tesaloniana, izay ao amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:
- 2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
- 3 Tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra,
- 4 ka reharehan’ ny tenanay ianareo eny amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo ―
- 5 famantarana ny fitsarana marin’ Andriamanitra izany ― mba hatao ho miendrika ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo
- 6 fa zavatra marina amin’ Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
- 7 ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ ny anjelin’ ny heriny,
- 8 amin’ ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’ Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’ i Jesosy Tompontsika,
- 9 dia olona izay hiharan’ ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny,
- 10 raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ ny olony masìna sy higagana eo amin’ izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
- 11 Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon’ Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin’ ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan’ ny finoana,
- 12 mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’ i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan’ Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗