골로새서 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 골로새서 (Colossians) · 25절
- 1 Koa raha niara-natsangana tamin’ i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ ny itoeran’ i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra.
- 2 Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
- 3 Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’ i Kristy ao amin’ Andriamanitra.
- 4 Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ ny voninahitra ianareo.
- 5 Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;
- 6 fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana;
- 7 izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.
- 8 Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ ny vavanareo.
- 9 Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ ny asany;
- 10 ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ ny fahalalana tsara araka ny endrik’ izay nahary azy.
- 11 Fa amin’ izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ ny rehetra.
- 12 Koa mitafia famindram-po sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’ Andriamanitra sady masìna no malala.
- 13 Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ ny sasany; tahaka ny namelan’ ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
- 14 Ary aoka ho ambonin’ izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ ny fahatanterahana izany.
- 15 Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’ i Kristy, fa ho amin’ izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
- 16 Aoka ny tenin’ i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’ Andriamanitra.
- 17 Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ ny teny, na amin’ ny asa, dia ataovy amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin’ ny alalany.
- 18 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ ny Tompo.
- 19 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy.
- 20 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ ny Tompo izany.
- 21 Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.
- 22 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ ny zavatra rehetra, tsy amin’ ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’ olona, fa amin’ ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;
- 23 ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin’ ny fo, tahaka ny ho an’ ny Tompo, fa tsy ho an’ olona,
- 24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’ i Kristy Tompo ianareo.
- 25 Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan’ olona,
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗