골로새서 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 골로새서 (Colossians) · 25절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Koa raha niara-natsangana tamin’ i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ ny itoeran’ i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra. | If ye then be risen with Christ, seek those things which are above, where Christ sitteth on the right hand of God. |
| 2 | Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. | Set your affection on things above, not on things on the earth. |
| 3 | Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’ i Kristy ao amin’ Andriamanitra. | For ye are dead, and your life is hid with Christ in God. |
| 4 | Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ ny voninahitra ianareo. | When Christ, who is our life, shall appear, then shall ye also appear with him in glory. |
| 5 | Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany; | Mortify therefore your members which are upon the earth; fornication, uncleanness, inordinate affection, evil concupiscence, and covetousness, which is idolatry: |
| 6 | fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana; | For which things’ sake the wrath of God cometh on the children of disobedience: |
| 7 | izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo. | In the which ye also walked some time, when ye lived in them. |
| 8 | Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ ny vavanareo. | But now ye also put off all these; anger, wrath, malice, blasphemy, filthy communication out of your mouth. |
| 9 | Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ ny asany; | Lie not one to another, seeing that ye have put off the old man with his deeds; |
| 10 | ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ ny fahalalana tsara araka ny endrik’ izay nahary azy. | And have put on the new man, which is renewed in knowledge after the image of him that created him: |
| 11 | Fa amin’ izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ ny rehetra. | Where there is neither Greek nor Jew, circumcision nor uncircumcision, Barbarian, Scythian, bond nor free: but Christ is all, and in all. |
| 12 | Koa mitafia famindram-po sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’ Andriamanitra sady masìna no malala. | Put on therefore, as the elect of God, holy and beloved, bowels of mercies, kindness, humbleness of mind, meekness, longsuffering; |
| 13 | Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ ny sasany; tahaka ny namelan’ ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. | Forbearing one another, and forgiving one another, if any man have a quarrel against any: even as Christ forgave you, so also do ye. |
| 14 | Ary aoka ho ambonin’ izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ ny fahatanterahana izany. | And above all these things put on charity, which is the bond of perfectness. |
| 15 | Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’ i Kristy, fa ho amin’ izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo. | And let the peace of God rule in your hearts, to the which also ye are called in one body; and be ye thankful. |
| 16 | Aoka ny tenin’ i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’ Andriamanitra. | Let the word of Christ dwell in you richly in all wisdom; teaching and admonishing one another in psalms and hymns and spiritual songs, singing with grace in your hearts to the Lord. |
| 17 | Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ ny teny, na amin’ ny asa, dia ataovy amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin’ ny alalany. | And whatsoever ye do in word or deed, do all in the name of the Lord Jesus, giving thanks to God and the Father by him. |
| 18 | Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ ny Tompo. | Wives, submit yourselves unto your own husbands, as it is fit in the Lord. |
| 19 | Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy. | Husbands, love your wives, and be not bitter against them. |
| 20 | Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ ny Tompo izany. | Children, obey your parents in all things: for this is well pleasing unto the Lord. |
| 21 | Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy. | Fathers, provoke not your children to anger, lest they be discouraged. |
| 22 | Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ ny zavatra rehetra, tsy amin’ ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’ olona, fa amin’ ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo; | Servants, obey in all things your masters according to the flesh; not with eyeservice, as menpleasers; but in singleness of heart, fearing God: |
| 23 | ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin’ ny fo, tahaka ny ho an’ ny Tompo, fa tsy ho an’ olona, | And whatsoever ye do, do it heartily, as to the Lord, and not unto men; |
| 24 | satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’ i Kristy Tompo ianareo. | Knowing that of the Lord ye shall receive the reward of the inheritance: for ye serve the Lord Christ. |
| 25 | Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan’ olona, | But he that doeth wrong shall receive for the wrong which he hath done: and there is no respect of persons. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL