골로새서 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 골로새서 (Colossians) · 23절
- 1 Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin’ izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin’ ny nofo,
- 2 mba hampifalina ny fony amin’ ny ampiraisana azy amin’ ny fitiavana sy ho amin’ ny haren’ ny fahatokiana be avy amin’ ny fahazavan-tsaina, ho amin’ ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra, dia Kristy,
- 3 Izay iafenan’ ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
- 4 Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ ny teny toa marina.
- 5 Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan’ ny finoanareo an’ i Kristy.
- 6 Koa tahaka ny nandraisanareo an’ i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa,
- 7 ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ ny fisaorana.
- 8 Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, fa tsy araka an’ i Kristy.
- 9 Fa ao amin’ ny tenany no itoeran’ ny fahafenoan’ ny fomban’ Andriamanitra rehetra;
- 10 ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan’ ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,
- 11 ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ ny fanesorana ny tenan’ ny nofo, dia tamin’ ny famoran’ i Kristy;
- 12 fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’ Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ ny maty.
- 13 Ary ianareo, izay efa matin’ ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’ i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;
- 14 ary novonoiny ny sora-tànan’ ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana,
- 15 ary nesoriny tsy ho eo amin’ ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon’ izay avy nandresy.
- 16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
- 17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’ i Kristy.
- 18 Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin’ ny anjely, ka mitompo amin’ ny zavatra efa hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan’ ny nofony
- 19 ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan’ ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan’ Andriamanitra.
- 20 Ary raha niara-maty tamin’ i Kristy ianareo ka efa afaka tamin’ ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’ izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe:
- 21 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry ―
- 22 levona amin’ ny fanaovana ihany izany rehetra izany ― araka ny didy sy ny fampianaran’ olona?
- 23 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗