골로새서 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 골로새서 (Colossians) · 18절
- 1 Hianareo tompo, ataovy amin’ ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
- 2 Mahareta amin’ ny fivavahana, ka miambena amin’ izany amin’ ny fisaorana,
- 3 ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’ Andriamanitra varavarana ho an’ ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an’ i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
- 4 mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
- 5 Mandehana amin’ ny fahendrena amin’ izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
- 6 Aoka ny fiteninareo ho amin’ ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
- 7 Ny toetro rehetra dia holazain’ i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin’ ny Tompo;
- 8 ny anton’ ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;
- 9 ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ.
- 10 Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan’ i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
- 11 ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin’ ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’ Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
- 12 Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon’ i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin’ izay rehetra mety ho sitrapon’ Andriamanitra.
- 13 Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an’ ny any Laodikia ary ho an’ ny any Hierapolia izy.
- 14 Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
- 15 Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an-tranony.
- 16 Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin’ ny fiangonan’ ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin’ ny Laodikiana.
- 17 Ary lazao amin’ i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ ny Tompo mba hahatanterahanao izany.
- 18 Ity no veloma ataon’ ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗