호세아 9장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 호세아 (Hosea) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin’ Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra; | Rejoice not, O Israel, for joy, as other people: for thou hast gone a whoring from thy God, thou hast loved a reward upon every cornfloor. |
| 2 | Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka. | The floor and the winepress shall not feed them, and the new wine shall fail in her. |
| 3 | Tsy honina ao amin’ ny tanin’ i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria. | They shall not dwell in the Lord’s land; but Ephraim shall return to Egypt, and they shall eat unclean things in Assyria. |
| 4 | Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an’ i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an’ ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an’ ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon’ i Jehovah. | They shall not offer wine offerings to the Lord, neither shall they be pleasing unto him: their sacrifices shall be unto them as the bread of mourners; all that eat thereof shall be polluted: for their bread for their soul shall not come into the house of the Lord. |
| 5 | Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin’ ny fotoam-pivavahana sy amin’ ny andro firavoravoana voatendrin’ i Jehovah? | What will ye do in the solemn day, and in the day of the feast of the Lord? |
| 6 | Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan’ ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy. | For, lo, they are gone because of destruction: Egypt shall gather them up, Memphis shall bury them: the pleasant places for their silver, nettles shall possess them: thorns shall be in their tabernacles. |
| 7 | Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr’ Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan’ ny helokao sy ny habetsahan’ ny fanoherana. | The days of visitation are come, the days of recompence are come; Israel shall know it: the prophet is a fool, the spiritual man is mad, for the multitude of thine iniquity, and the great hatred. |
| 8 | Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin’ Andriamanitro; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin’ ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon’ Andriamaniny. | The watchman of Ephraim was with my God: but the prophet is a snare of a fowler in all his ways, and hatred in the house of his God. |
| 9 | Fatra-panao ratsy toy ny tamin’ ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany. | They have deeply corrupted themselves, as in the days of Gibeah: therefore he will remember their iniquity, he will visit their sins. |
| 10 | Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ ilay tiany ihany izy. | I found Israel like grapes in the wilderness; I saw your fathers as the firstripe in the fig tree at her first time: but they went to Baal–peor, and separated themselves unto that shame; and their abominations were according as they loved. |
| 11 | Ny amin’ i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan’ anaka, na ho torontoronina. | As for Ephraim, their glory shall fly away like a bird, from the birth, and from the womb, and from the conception. |
| 12 | Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin’ ny handaozako azy! | Though they bring up their children, yet will I bereave them, that there shall not be a man left: yea, woe also to them when I depart from them! |
| 13 | Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin’ ny tany mahafinaritra tahaka an’ i Tyro, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin’ ny mpamono izy. | Ephraim, as I saw Tyrus, is planted in a pleasant place: but Ephraim shall bring forth his children to the murderer. |
| 14 | Jehovah ô, omeo azy ― inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza sy ny nono ritra. | Give them, O Lord: what wilt thou give? give them a miscarrying womb and dry breasts. |
| 15 | Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian’ ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy. | All their wickedness is in Gilgal: for there I hated them: for the wickedness of their doings I will drive them out of mine house, I will love them no more: all their princes are revolters. |
| 16 | Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy. | Ephraim is smitten, their root is dried up, they shall bear no fruit: yea, though they bring forth, yet will I slay even the beloved fruit of their womb. |
| 17 | Harian’ Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin’ ny jentilisa izy. | My God will cast them away, because they did not hearken unto him: and they shall be wanderers among the nations. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL