호세아 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 호세아 (Hosea) · 15절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan’ ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran’ ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy. | Israel is an empty vine, he bringeth forth fruit unto himself: according to the multitude of his fruit he hath increased the altars; according to the goodness of his land they have made goodly images. |
| 2 | Mamitaka ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny | Their heart is divided; now shall they be found faulty: he shall break down their altars, he shall spoil their images. |
| 3 | Amin’ izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka? | For now they shall say, We have no king, because we feared not the Lord; what then should a king do to us? |
| 4 | Niteniteny foana izy tamin’ ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny. | They have spoken words, swearing falsely in making a covenant: thus judgment springeth up as hemlock in the furrows of the field. |
| 5 | Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin’ ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy, | The inhabitants of Samaria shall fear because of the calves of Beth–aven: for the people thereof shall mourn over it, and the priests thereof that rejoiced on it, for the glory thereof, because it is departed from it. |
| 6 | Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an’ i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony. | It shall be also carried unto Assyria for a present to king Jareb: Ephraim shall receive shame, and Israel shall be ashamed of his own counsel. |
| 7 | Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ ny rano. | As for Samaria, her king is cut off as the foam upon the water. |
| 8 | Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan’ Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin’ ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin’ ny havoana hoe: Mianjerà aminay. | The high places also of Aven, the sin of Israel, shall be destroyed: the thorn and the thistle shall come up on their altars; and they shall say to the mountains, Cover us; and to the hills, Fall on us. |
| 9 | Hatramin’ ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana. | O Israel, thou hast sinned from the days of Gibeah: there they stood: the battle in Gibeah against the children of iniquity did not overtake them. |
| 10 | Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin’ ny hamatorana azy noho ny helony roa loha. | It is in my desire that I should chastise them; and the people shall be gathered against them, when they shall bind themselves in their two furrows. |
| 11 | Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona. | And Ephraim is as an heifer that is taught, and loveth to tread out the corn; but I passed over upon her fair neck: I will make Ephraim to ride; Judah shall plow, and Jacob shall break his clods. |
| 12 | Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an’ i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo. | Sow to yourselves in righteousness, reap in mercy; break up your fallow ground: for it is time to seek the Lord, till he come and rain righteousness upon you. |
| 13 | Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin’ ny alehanareo sy ny habetsahan’ ny lehilahy maherinareo ianareo. | Ye have plowed wickedness, ye have reaped iniquity; ye have eaten the fruit of lies: because thou didst trust in thy way, in the multitude of thy mighty men. |
| 14 | Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan’ i Salamana an’ i Bet-arbela tamin’ ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin’ ny zanany. | Therefore shall a tumult arise among thy people, and all thy fortresses shall be spoiled, as Shalman spoiled Beth–arbel in the day of battle: the mother was dashed in pieces upon her children. |
| 15 | Toy izany no hataon’ i Betela aminareo, noho ny haben’ ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan’ ny Isiraely. | So shall Beth–el do unto you because of your great wickedness: in a morning shall the king of Israel utterly be cut off. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL