호세아 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 호세아 (Hosea) · 14절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon’ i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo. | Set the trumpet to thy mouth. He shall come as an eagle against the house of the Lord, because they have transgressed my covenant, and trespassed against my law. |
| 2 | Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao. | Israel shall cry unto me, My God, we know thee. |
| 3 | Ataon’ ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy. | Israel hath cast off the thing that is good: the enemy shall pursue him. |
| 4 | Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy. | They have set up kings, but not by me: they have made princes, and I knew it not: of their silver and their gold have they made them idols, that they may be cut off. |
| 5 | Maharikoriko ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo ny fahadiovana? | Thy calf, O Samaria, hath cast thee off; mine anger is kindled against them: how long will it be ere they attain to innocency? |
| 6 | Fa avy tamin’ ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin’ i Samaria. | For from Israel was it also: the workman made it; therefore it is not God: but the calf of Samaria shall be broken in pieces. |
| 7 | Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy. | For they have sown the wind, and they shall reap the whirlwind: it hath no stalk: the bud shall yield no meal: if so be it yield, the strangers shall swallow it up. |
| 8 | Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin’ ny jentilisa. | Israel is swallowed up: now shall they be among the Gentiles as a vessel wherein is no pleasure. |
| 9 | Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny | For they are gone up to Assyria, a wild ass alone by himself: Ephraim hath hired lovers. |
| 10 | Ary na dia nanangy tany amin’ ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan’ ny mpanjakan’ ireo mpanapaka. | Yea, though they have hired among the nations, now will I gather them, and they shall sorrow a little for the burden of the king of princes. |
| 11 | Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy. | Because Ephraim hath made many altars to sin, altars shall be unto him to sin. |
| 12 | Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin’ ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany. | I have written to him the great things of my law, but they were counted as a strange thing. |
| 13 | Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan’ izany, nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta. | They sacrifice flesh for the sacrifices of mine offerings, and eat it; but the Lord accepteth them not; now will he remember their iniquity, and visit their sins: they shall return to Egypt. |
| 14 | Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin’ izany ny trano vaventiny. | For Israel hath forgotten his Maker, and buildeth temples; and Judah hath multiplied fenced cities: but I will send a fire upon his cities, and it shall devour the palaces thereof. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL