호세아 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 호세아 (Hosea) · 16절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok’ i Efraima sy ny faharatsian’ i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany. | When I would have healed Israel, then the iniquity of Ephraim was discovered, and the wickedness of Samaria: for they commit falsehood; and the thief cometh in, and the troop of robbers spoileth without. |
| 2 | Ary tsy heveriny ao am-po fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan’ ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany. | And they consider not in their hearts that I remember all their wickedness: now their own doings have beset them about; they are before my face. |
| 3 | Amin’ ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin’ ny laingany ny mpanapaka. | They make the king glad with their wickedness, and the princes with their lies. |
| 4 | Samy mpaka vadin’ olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan’ ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin’ ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony. | They are all adulterers, as an oven heated by the baker, who ceaseth from raising after he hath kneaded the dough, until it be leavened. |
| 5 | Tamin’ ny andron’ ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin’ ny fanafanan’ ny herin’ ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin’ ny mpaniratsira ny mpanjaka. | In the day of our king the princes have made him sick with bottles of wine; he stretched out his hand with scorners. |
| 6 | Fa entin’ ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin’ ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana. | For they have made ready their heart like an oven, whiles they lie in wait: their baker sleepeth all the night; in the morning it burneth as a flaming fire. |
| 7 | Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra. | They are all hot as an oven, and have devoured their judges; all their kings are fallen: there is none among them that calleth unto me. |
| 8 | Efraima dia miharoharo amin’ ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika. | Ephraim, he hath mixed himself among the people; Ephraim is a cake not turned. |
| 9 | Lanin’ ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany. | Strangers have devoured his strength, and he knoweth it not: yea, gray hairs are here and there upon him, yet he knoweth not. |
| 10 | Ary ny avonavon’ Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin’ i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy. | And the pride of Israel testifieth to his face: and they do not return to the Lord their God, nor seek him for all this. |
| 11 | Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an’ i Egypta izy ary efa mankany Asyria. | Ephraim also is like a silly dove without heart: they call to Egypt, they go to Assyria. |
| 12 | Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin’ ny fiangonany. | When they shall go, I will spread my net upon them; I will bring them down as the fowls of the heaven; I will chastise them, as their congregation hath heard. |
| 13 | Lozan’ ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy. | Woe unto them! for they have fled from me: destruction unto them! because they have transgressed against me: though I have redeemed them, yet they have spoken lies against me. |
| 14 | Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko. | And they have not cried unto me with their heart, when they howled upon their beds: they assemble themselves for corn and wine, and they rebel against me. |
| 15 | Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy, | Though I have bound and strengthened their arms, yet do they imagine mischief against me. |
| 16 | Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin’ ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin’ ny tany Egypta. | They return, but not to the most High: they are like a deceitful bow: their princes shall fall by the sword for the rage of their tongue: this shall be their derision in the land of Egypt. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL