호세아 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 호세아 (Hosea) · 11절
- 1 Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.
- 2 Nony nisy niantso azy, dia vao mainka nandositra ireny izy; Ho an’ ireo Bala kosa no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary ho an’ ny sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo manitra.
- 3 Fa Izaho no nampianatra an’ i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin’ ny sandriko aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy.
- 4 Tamin’ ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ ny mahazakan’ ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin’ ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.
- 5 Tsy hiverina ho any amin’ ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy.
- 6 Ary noho ny fisainany dia hisy sabatra hantsodina ao an-tanànany ka handrava sy handevona ny hidiny.
- 7 Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin’ ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory.
- 8 Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an’ i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an’ i Zeboïma! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.
- 9 Tsy hanontolo fo Aho, na handringana an’ i Efraima intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny Iray Masìna ao aminao, ka dia tsy ho avy amim-pahatezerana mirehitra Aho.
- 10 Harahin’ ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.
- 11 Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin’ ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗