호세아 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 호세아 (Hosea) · 11절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako. | When Israel was a child, then I loved him, and called my son out of Egypt. |
| 2 | Nony nisy niantso azy, dia vao mainka nandositra ireny izy; Ho an’ ireo Bala kosa no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary ho an’ ny sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo manitra. | As they called them, so they went from them: they sacrificed unto Baalim, and burned incense to graven images. |
| 3 | Fa Izaho no nampianatra an’ i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin’ ny sandriko aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy. | I taught Ephraim also to go, taking them by their arms; but they knew not that I healed them. |
| 4 | Tamin’ ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ ny mahazakan’ ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin’ ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora. | I drew them with cords of a man, with bands of love: and I was to them as they that take off the yoke on their jaws, and I laid meat unto them. |
| 5 | Tsy hiverina ho any amin’ ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy. | He shall not return into the land of Egypt, but the Assyrian shall be his king, because they refused to return. |
| 6 | Ary noho ny fisainany dia hisy sabatra hantsodina ao an-tanànany ka handrava sy handevona ny hidiny. | And the sword shall abide on his cities, and shall consume his branches, and devour them, because of their own counsels. |
| 7 | Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin’ ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory. | And my people are bent to backsliding from me: though they called them to the most High, none at all would exalt him. |
| 8 | Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an’ i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an’ i Zeboïma! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko. | How shall I give thee up, Ephraim? how shall I deliver thee, Israel? how shall I make thee as Admah? how shall I set thee as Zeboim? mine heart is turned within me, my repentings are kindled together. |
| 9 | Tsy hanontolo fo Aho, na handringana an’ i Efraima intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny Iray Masìna ao aminao, ka dia tsy ho avy amim-pahatezerana mirehitra Aho. | I will not execute the fierceness of mine anger, I will not return to destroy Ephraim: for I am God, and not man; the Holy One in the midst of thee: and I will not enter into the city. |
| 10 | Harahin’ ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka. | They shall walk after the Lord: he shall roar like a lion: when he shall roar, then the children shall tremble from the west. |
| 11 | Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin’ ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah. | They shall tremble as a bird out of Egypt, and as a dove out of the land of Assyria: and I will place them in their houses, saith the Lord. |
| 12 | — | Ephraim compasseth me about with lies, and the house of Israel with deceit: but Judah yet ruleth with God, and is faithful with the saints. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL