호세아 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 호세아 (Hosea) · 15절
- 1 Efraima manodidina Ahy amin’ ny lainga, ary ny taranak’ Isiraely amin’ ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an’ Andriamanitra, dia ny Iray Masìna sy Mahatoky.
- 2 Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin’ ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.
- 3 Manana ady amin’ i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an’ i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.
- 4 Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin’ Andriamanitra;
- 5 Eny, nitolona tamin’ Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;
- 6 Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy.
- 7 Koa miverena amin’ Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an’ Andriamanitrao mandrakariva.
- 8 Kanana eny an-tànany misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany.
- 9 Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko, nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.
- 10 Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin’ ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin’ ny fotoam-pivavahana.
- 11 Efa niteny tamin’ ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.
- 12 Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.
- 13 Jakoba nandositra ho any amin’ ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman’ osy.
- 14 Mpaminany no nentin’ i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy
- 15 Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan’ ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗