출애굽기 31장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 18절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda;
- 3 ary efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa:
- 4 dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina
- 5 sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa.
- 6 Ary, indro, Izaho efa nanome an’ i Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, ho namany; ary ny fon’ izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:
- 7 dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.
- 8 sy ny latabatra mbamin’ ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra
- 9 sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.
- 10 ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masìna ho an’ i Arona mpisorona sy ny fitafian’ ny zanany ho entiny misorona,
- 11 ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin’ ny fitoerana masìna: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon’ ireo.
- 12 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 13 Ary dia milaza amin’ ny Zanak’ Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasìna anareo.
- 14 Koa tandremo ny Sabata, fa masìna aminareo izany; izay tsy manamasìna azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
- 15 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masìna ho an’ i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin’ ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.
- 16 Dia hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin’ ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany.
- 17 Ho famantarana amiko sy amin’ ny Zanak’ Isiraely mandrakizay izany; fa tamin’ ny henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.
- 18 Ary rehefa vita ny teny nataony tamin’ i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’ Andriamanitra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗