출애굽기 30장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 38절
- 1 Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.
- 2 Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny hahavony; koa ataovy miray aminy ny tandrony.
- 3 Ary petaho takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary asio koronosy volamena manodidina.
- 4 Ary asio vava volamena roa izy eo ambanin’ ny koronosiny, ka ataovy eo amin’ ny zorony efatra ireo; ary ho fitoeran’ ny bao ireo hilanjana azy.
- 5 Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena.
- 6 Ary apetraho eo anoloan’ ny efitra izay manakona ny fiaran’ ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.
- 7 Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;
- 8 ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany.
- 9 Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.
- 10 Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin’ ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin’ ny ran’ ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby; ho masìna indrindra ho an’ i Jehovah izany.
- 11 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe;
- 12 Raha maka ny isan’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an’ i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.
- 13 Izao no haloan’ izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masìna (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an’ i Jehovah.
- 14 Izay rehetra voalamina hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an’ i Jehovah.
- 15 Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an’ i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo.
- 16 Ary handray ny vola avotra amin’ ny Zanak’ Isiraely ianao, ka hataonao amin’ ny fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely eo anatrehan’ i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.
- 17 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 18 Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.
- 19 Ary eo no hanasan’ i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany.
- 20 Raha miditra amin’ ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin’ ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah,
- 21 dia hanasa ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny zanany izany hatramin’ ny taranany fara mandimby.
- 22 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 23 Makà zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra antsasak’ izany, dia dimam-polo amby roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby roan-jato
- 24 sy kasia dimam-jato; araka ny sekely masìna, ary diloilon’ oliva eran’ ny hina;
- 25 dia amboary ho diloilo fanosorana masìna izany, ho zavatra aharoharo, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masìna izany.
- 26 Ary hosory amin’ izany ny trano-lay fihaonana sy ny fiaran’ ny Vavolombelona,
- 27 sy ny latabatra mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin’ ny fanaka momba azy sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,
- 28 ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany.
- 29 Ary hamasino ireo mba ho masìna indrindra; ary ho masìna izay rehetra manendry azy.
- 30 Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy.
- 31 Ary mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masìna ho Ahy hatramin’ ny taranakareo fara mandimby.
- 32 Aoka tsy hihosoran’ ny olon-kafa izany, na hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa masìna izy ka ho masìna aminareo.
- 33 Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin’ ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
- 34 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo.
- 35 Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masìna.
- 36 Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan’ ny Vavolombelona ao amin’ ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masìna indrindra ho anareo izany.
- 37 Ary ny amin’ ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho masìna aminao ho an’ i Jehovah izany.
- 38 Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗