출애굽기 32장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 35절
- 1 Ary rehefa hitan’ ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin’ i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,
- 2 Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin’ ny sofin’ ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.
- 3 Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin’ ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin’ i Arona.
- 4 Ary izy nandray azy tamin’ ny tanan’ ny olona, dia namboatra azy tamin’ ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely an-idina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
- 5 Ary raha hitan’ i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an’ i Jehovah rahampitso.
- 6 Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.
- 7 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandehana midìna ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
- 8 Nalaky nivily niala tamin’ ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely an-idina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
- 9 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy.
- 10 Koa ankehitriny avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka haringako izy; fa hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.
- 11 Fa Mosesy nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin’ ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny hery lehibe sy ny tanana mahery?
- 12 Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin’ ny tany? Mialà amin’ ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin’ ny loza izay hanjo ny olonao.
- 13 Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin’ ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.
- 14 Ary Jehovah dia nanenina ny amin’ ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.
- 15 Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin’ ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra.
- 16 Ary ny vato fisaka dia asan’ Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr’ Andriamanitra, voasoratra teo amin’ ny vato fisaka.
- 17 Ary rehefa ren’ i Josoa ny fitabataban’ ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin’ i Mosesy: Misy tabataban’ ady atsy an-toby.
- 18 Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian’ ny mahery na feo fitomanian’ ny resy no reko, fa feon’ ny mihira.
- 19 Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran’ i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin’ ny tendrombohitra.
- 20 Dia nalainy ilay ombilahy kely izay efa nataon’ ny olona ka nodorany tamin’ ny afo, ary notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny tambonin’ ny rano ka nampisotroiny ny Zanak’ Isiraely.
- 21 Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Inona no nataon’ ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?
- 22 Fa hoy kosa Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona, fa mpanao ratsy izy;
- 23 ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.
- 24 Ary hoy izaho taminy: Na zovy na zovy manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka dia nomeny ahy; ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka.
- 25 Ary rehefa hitan’ i Mosesy fa natondraka hanaram-po amin’ izay tsy mety ny olona, satria efa natondrak’ i Arona ho fanakorana eo amin’ ny fahavalony izy,
- 26 dia nijanona teo amin’ ny vavahadin’ ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an’ i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’ i Levy rehetra niangona teo aminy.
- 27 Dia hoy izy taminy: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny sabany eo am-balahany avy ianareo, dia mandrosoa sy miverimberena amin’ isam-bavahadin’ ny toby, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.
- 28 Dia nanao araka ny tenin’ i Mosesy ny taranak’ i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin’ izany andro izany.
- 29 Fa Mosesy efa nilaza hoe: Manokàna ny tenanareo ho an’ i Jehovah ianareo anio; eny, samia mamono ny zanany sy ny rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio.
- 30 Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin’ i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin’ ny fahotanareo.
- 31 Ary Mosesy dia niverina ho ao amin’ i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.
- 32 Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
- 33 Fa hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin’ ny bokiko.
- 34 Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin’ izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin’ izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.
- 35 Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon’ i Arona.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗