출애굽기 27장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 21절
- 1 Ary manaova ny alitara amin’ ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
- 2 Ary manaova ny tandrony eo amin’ ny zorony efatra, ka ataovy miray aminy; ary petaho takela-barahina.
- 3 Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron’ afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran’ afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
- 4 Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin’ ny harato eo amin’ ny zorony efatra,
- 5 Ary ataovy eo ambanin’ ny sikin’ ny alitara hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara hanasaka ny alitara.
- 6 Ary manaova bao ho amin’ ny alitara, dia bao hazo akasia, ka petaho takela-barahina,
- 7 Ary ampidiro eo amin’ ny vava varahina ny bao; ary aoka ho eo amin’ ny lafiny roa amin’ ny alitara ny bao, raha lanjaina izy,
- 8 Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy.
- 9 Ary manaova ny kianjan’ ny tabernakely: amin’ ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin’ ny kianja, zato hakiho ny halavany amin’ ny lafiny iray;
- 10 ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
- 11 Ary ho tahaka izany amin’ ny lafiny avaratra, amin’ ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
- 12 Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin’ ny sakan’ ny kianja amin’ ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany,
- 13 Ary ny sakan’ ny kianja amin’ ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho.
- 14 Ary hisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho amin’ ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany.
- 15 Ary hisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho amin’ ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany.
- 16 Ary eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.
- 17 Ny tsangantsangany rehetra amin’ ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany,
- 18 Ny lavan’ ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.
- 19 Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa.
- 20 Ary mandidia ny Zanak’ Isiraely hitondra aminao diloilon’ oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva.
- 21 Ao anatin’ ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan’ i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan’ i Jehovah hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin’ ny Zanak’ Isiraely izany hatramin’ ny taranany fara mandimby,
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗