출애굽기 27장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 21절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary manaova ny alitara amin’ ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony. | And thou shalt make an altar of shittim wood, five cubits long, and five cubits broad; the altar shall be foursquare: and the height thereof shall be three cubits. |
| 2 | Ary manaova ny tandrony eo amin’ ny zorony efatra, ka ataovy miray aminy; ary petaho takela-barahina. | And thou shalt make the horns of it upon the four corners thereof: his horns shall be of the same: and thou shalt overlay it with brass. |
| 3 | Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron’ afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran’ afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy. | And thou shalt make his pans to receive his ashes, and his shovels, and his basons, and his fleshhooks, and his firepans: all the vessels thereof thou shalt make of brass. |
| 4 | Ary manaova makarakara varahina tahaka ny harato ho eo aminy; ary manaova vava-varahina efatra hatao ambonin’ ny harato eo amin’ ny zorony efatra, | And thou shalt make for it a grate of network of brass; and upon the net shalt thou make four brasen rings in the four corners thereof. |
| 5 | Ary ataovy eo ambanin’ ny sikin’ ny alitara hatreo ambodiny izany; ary aoka ny makarakara hanasaka ny alitara. | And thou shalt put it under the compass of the altar beneath, that the net may be even to the midst of the altar. |
| 6 | Ary manaova bao ho amin’ ny alitara, dia bao hazo akasia, ka petaho takela-barahina, | And thou shalt make staves for the altar, staves of shittim wood, and overlay them with brass. |
| 7 | Ary ampidiro eo amin’ ny vava varahina ny bao; ary aoka ho eo amin’ ny lafiny roa amin’ ny alitara ny bao, raha lanjaina izy, | And the staves shall be put into the rings, and the staves shall be upon the two sides of the altar, to bear it. |
| 8 | Hazo fisaka no arafeto ho alitara, ka ataovy hobokaty; araka izay naseho taminao tao an-tendrombohitra no hanaovana azy. | Hollow with boards shalt thou make it: as it was shewed thee in the mount, so shall they make it. |
| 9 | Ary manaova ny kianjan’ ny tabernakely: amin’ ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin’ ny kianja, zato hakiho ny halavany amin’ ny lafiny iray; | And thou shalt make the court of the tabernacle: for the south side southward there shall be hangings for the court of fine twined linen of an hundred cubits long for one side: |
| 10 | ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany, | And the twenty pillars thereof and their twenty sockets shall be of brass; the hooks of the pillars and their fillets shall be of silver. |
| 11 | Ary ho tahaka izany amin’ ny lafiny avaratra, amin’ ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany, | And likewise for the north side in length there shall be hangings of an hundred cubits long, and his twenty pillars and their twenty sockets of brass; the hooks of the pillars and their fillets of silver. |
| 12 | Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin’ ny sakan’ ny kianja amin’ ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany, | And for the breadth of the court on the west side shall be hangings of fifty cubits: their pillars ten, and their sockets ten. |
| 13 | Ary ny sakan’ ny kianja amin’ ny lafiny atsinanana ho dimam-polo hakiho. | And the breadth of the court on the east side eastward shall be fifty cubits. |
| 14 | Ary hisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho amin’ ny sakany iray; ho telo ny tsangantsangany, ary ho telo ny faladiany. | The hangings of one side of the gate shall be fifteen cubits: their pillars three, and their sockets three. |
| 15 | Ary hisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho amin’ ny sakany iray koa; ho telo ny tsangantsangany ary ho telo ny faladiany. | And on the other side shall be hangings fifteen cubits: their pillars three, and their sockets three. |
| 16 | Ary eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany. | And for the gate of the court shall be an hanging of twenty cubits, of blue, and purple, and scarlet, and fine twined linen, wrought with needlework: and their pillars shall be four, and their sockets four. |
| 17 | Ny tsangantsangany rehetra amin’ ny kianja manodidina dia samy hisy anjaka volafotsy hitohizany; ho volafotsy ny fihantonany, ary ho varahina ny faladiany, | All the pillars round about the court shall be filleted with silver; their hooks shall be of silver, and their sockets of brass. |
| 18 | Ny lavan’ ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany. | The length of the court shall be an hundred cubits, and the breadth fifty every where, and the height five cubits of fine twined linen, and their sockets of brass. |
| 19 | Ho varahina avokoa ny fiasana rehetra momba ny tabernakely; ary ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatry ny kianja ho varahina koa. | All the vessels of the tabernacle in all the service thereof, and all the pins thereof, and all the pins of the court, shall be of brass. |
| 20 | Ary mandidia ny Zanak’ Isiraely hitondra aminao diloilon’ oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva. | And thou shalt command the children of Israel, that they bring thee pure oil olive beaten for the light, to cause the lamp to burn always. |
| 21 | Ao anatin’ ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan’ i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan’ i Jehovah hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin’ ny Zanak’ Isiraely izany hatramin’ ny taranany fara mandimby, | In the tabernacle of the congregation without the vail, which is before the testimony, Aaron and his sons shall order it from evening to morning before the Lord: it shall be a statute for ever unto their generations on the behalf of the children of Israel. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL