출애굽기 28장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 43절
- 1 Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin’ ny zanany, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak’ i Arona.
- 2 Ary manaova fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
- 3 Ary mitenena amin’ izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian’ i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.
- 4 Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao izy, sy ho an’ ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
- 5 Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.
- 6 Dia aoka izy hanao ny efoda amin’ ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mpanenona mahay.
- 7 Aoka hisy soroka roa avy amin’ ny sisiny roa hampikambana azy.
- 8 Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
- 9 Ary makà vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely:
- 10 ny anarany enina amin’ ny vato iray, ary ny anarany enina kosa amin’ ny vato iray, araka ny fizokiany;
- 11 amin’ ny asan’ ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy,
- 12 Ary ataovy eo amin’ ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny sorony roa ho fahatsiarovana.
- 13 Ary manaova randram-bolamena
- 14 sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin’ ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo.
- 15 Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan’ ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.
- 16 Ho efa-joro miforitra roa izy, ary ho irain-jehy avy ny lafiny efatra.
- 17 Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny an-dalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
- 18 ary ny an-dalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
- 19 ary ny an-dalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
- 20 ary ny an-dalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy.
- 21 Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely, dia roa ambin’ ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin’ ny fanombohan-kase, ho amin’ ny firenena roa ambin’ ny folo araka ny anarany avy.
- 22 Ary eo amin’ ny saron-tratra asio olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady.
- 23 Ary manaova vava volamena roa ho eo amin’ ny saron-tratra; ary ny vava vola roa dia ataovy eo amin’ ny zorony roa ambony amin’ ny saron-tratra.
- 24 Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin’ ny vava vola roa, izay amin’ ny zorony roa ambony amin’ ny saron-tratra.
- 25 Ary ny lanin’ ny tady roa dia ataovy eo amin’ ny soroky ny efoda anoloana.
- 26 Ary manaova vava volamena roa, ka ataovy amin’ ny zorony roa ambany amin’ ny saron-tratra, dia amin’ ny sisiny anatiny, izay manolotra ny efoda.
- 27 Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin’ ny soroko roa amin’ ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ ny fikambanany, eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda.
- 28 Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan’ ny saron-tratra amin’ ny vava volan’ ny efoda, mba ho eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.
- 29 Ary Arona hitondra ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely eo amin’ ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin’ ny fitoerana masìna izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.
- 30 Ary ataovy eo amin’ ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon’ i Arona izany, raha miditra eo anatrehan’ i Jehovah izy; ka dia ho entin’ i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah ny fitsarana ny Zanak’ Isiraely.
- 31 Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.
- 32 Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon’ ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.
- 33 Ary asio sarin’ ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin’ ny moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:
- 34 dia famohamandry sy sarin’ ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eny amin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany.
- 35 Ary hiakanjoan’ i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin’ ny fitoerana masìna eo anatrehan’ i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
- 36 Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH.
- 37 Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin’ ny hamama: dia eo anoloan’ ny hamama no hasiana azy.
- 38 Ary ho eo ambonin’ ny handrin’ i Arona izy, mba ho entin’ i Arona ny heloky ny zava-masìna, izay hohamasinin’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ny fanomezany masìna rehetra; ary ho eo amin’ ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah ny olona.
- 39 Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
- 40 Ary manaova akanjo lava ho an’ ny zanak’ i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
- 41 Ary ataovy amin’ i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasìna azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
- 42 Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin’ ny valahany ka hatramin’ ny feny no hisy azy.
- 43 Ary hiakanjoan’ i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin’ ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin’ ny taranany mandimby azy izany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗