출애굽기 23장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 33절
- 1 Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin’ ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.
- 2 Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin’ ny adin’ olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.
- 3 Aza mandravaka ny tenin’ ny malahelo eo amin’ ny fandaharan-teniny ianao.
- 4 Raha hitanao mania ny ombin’ ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany.
- 5 Raha hitanao ny borikin’ izay mankahala anao mihonaka ao ambanin’ ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.
- 6 Aza mamily ny rariny izay ananan’ ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy.
- 7 Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho.
- 8 Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ ny marina.
- 9 Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon’ ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ihany ianareo.
- 10 Ary enin-taona no hamafazanao amin’ ny taninao sy hanangonanao ny vokatra;
- 11 fa amin’ ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin’ ny malahelo amin’ ny firenenao; ary izay sisan’ ireo dia mba hohanin’ ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin’ ny tanim-boalobokao sy amin’ ny tanin’ olivanao.
- 12 Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin’ ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan’ ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan’ ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina.
- 13 Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran’ andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ ny vavanao izany.
- 14 Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy.
- 15 Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
- 16 Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny faran’ ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao.
- 17 Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan’ ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’ i Jehovah Tompo.
- 18 Aza manatitra ny ran’ ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran’ ny zavatra vonoina amin’ ny andro firavoravoana ho Ahy.
- 19 Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
- 20 Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin’ ny fitoerana izay namboariko.
- 21 Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.
- 22 Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon’ ny fahavalonao sy ho rafin’ ny rafinao Aho.
- 23 Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,
- 24 Aza miankohoka eo anatrehan’ ny andriamanitr’ ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.
- 25 Fa manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.
- 26 Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ ny taninao; hotanterahiko ny isan’ ny andronao.
- 27 Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.
- 28 Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.
- 29 Tsy handroaka azy eo alohanao amin’ ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.
- 30 Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.
- 31 Ary hatramin’ ny Ranomasina Mena ka hatramin’ ny ranomasin’ ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin’ ny efitra ka hatramin’ ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin’ ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.
- 32 Aza manao fanekena aminy na amin’ ny andriamaniny ianao.
- 33 Tsy honina eo amin’ ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗