출애굽기 23장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 33절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin’ ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza. | Thou shalt not raise a false report: put not thine hand with the wicked to be an unrighteous witness. |
| 2 | Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin’ ny adin’ olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny. | Thou shalt not follow a multitude to do evil; neither shalt thou speak in a cause to decline after many to wrest judgment: |
| 3 | Aza mandravaka ny tenin’ ny malahelo eo amin’ ny fandaharan-teniny ianao. | Neither shalt thou countenance a poor man in his cause. |
| 4 | Raha hitanao mania ny ombin’ ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany. | If thou meet thine enemy’s ox or his ass going astray, thou shalt surely bring it back to him again. |
| 5 | Raha hitanao ny borikin’ izay mankahala anao mihonaka ao ambanin’ ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa. | If thou see the ass of him that hateth thee lying under his burden, and wouldest forbear to help him, thou shalt surely help with him. |
| 6 | Aza mamily ny rariny izay ananan’ ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy. | Thou shalt not wrest the judgment of thy poor in his cause. |
| 7 | Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho. | Keep thee far from a false matter; and the innocent and righteous slay thou not: for I will not justify the wicked. |
| 8 | Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ ny marina. | And thou shalt take no gift: for the gift blindeth the wise, and perverteth the words of the righteous. |
| 9 | Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon’ ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ihany ianareo. | Also thou shalt not oppress a stranger: for ye know the heart of a stranger, seeing ye were strangers in the land of Egypt. |
| 10 | Ary enin-taona no hamafazanao amin’ ny taninao sy hanangonanao ny vokatra; | And six years thou shalt sow thy land, and shalt gather in the fruits thereof: |
| 11 | fa amin’ ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin’ ny malahelo amin’ ny firenenao; ary izay sisan’ ireo dia mba hohanin’ ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin’ ny tanim-boalobokao sy amin’ ny tanin’ olivanao. | But the seventh year thou shalt let it rest and lie still; that the poor of thy people may eat: and what they leave the beasts of the field shall eat. In like manner thou shalt deal with thy vineyard, and with thy oliveyard. |
| 12 | Henemana no hanaovanao ny raharahanao; fa amin’ ny andro fahafito dia hitsahatra ianao, mba hialan’ ny ombinao sy ny borikinao sasatra, ary mba hakan’ ny zanaky ny ankizivavinao sy ny vahiny aina. | Six days thou shalt do thy work, and on the seventh day thou shalt rest: that thine ox and thine ass may rest, and the son of thy handmaid, and the stranger, may be refreshed. |
| 13 | Ary tandremo izay rehetra nolazaiko taminareo, ka aza manonona ny anaran’ andriamani-kafa akory ianareo; aza avela ho re avy amin’ ny vavanao izany. | And in all things that I have said unto you be circumspect: and make no mention of the name of other gods, neither let it be heard out of thy mouth. |
| 14 | Intelo isan-kerintaona no hanaovanao andro firavoravoana ho Ahy. | Three times thou shalt keep a feast unto me in the year. |
| 15 | Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako. | Thou shalt keep the feast of unleavened bread: (thou shalt eat unleavened bread seven days, as I commanded thee, in the time appointed of the month Abib; for in it thou camest out from Egypt: and none shall appear before me empty:) |
| 16 | Ary tandremo koa ny andro firavoravoana amin’ ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny asanao, izay nafafinao tany an-tsaha, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny faran’ ny taona, raha manangona ny vokatry ny asanao avy any an-tsaha ianao. | And the feast of harvest, the firstfruits of thy labours, which thou hast sown in the field: and the feast of ingathering, which is in the end of the year, when thou hast gathered in thy labours out of the field. |
| 17 | Dia intelo isan-kerintaona no hisehoan’ ny lehilahy rehetra aminareo eo anatrehan’ i Jehovah Tompo. | Three times in the year all thy males shall appear before the Lord God. |
| 18 | Aza manatitra ny ran’ ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran’ ny zavatra vonoina amin’ ny andro firavoravoana ho Ahy. | Thou shalt not offer the blood of my sacrifice with leavened bread; neither shall the fat of my sacrifice remain until the morning. |
| 19 | Ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao dia ho entinao ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny. | The first of the firstfruits of thy land thou shalt bring into the house of the Lord thy God. Thou shalt not seethe a kid in his mother’s milk. |
| 20 | Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin’ ny fitoerana izay namboariko. | Behold, I send an Angel before thee, to keep thee in the way, and to bring thee into the place which I have prepared. |
| 21 | Mitandrema eo anatrehany, ka mihainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy. | Beware of him, and obey his voice, provoke him not; for he will not pardon your transgressions: for my name is in him. |
| 22 | Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon’ ny fahavalonao sy ho rafin’ ny rafinao Aho. | But if thou shalt indeed obey his voice, and do all that I speak; then I will be an enemy unto thine enemies, and an adversary unto thine adversaries. |
| 23 | Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny, | For mine Angel shall go before thee, and bring thee in unto the Amorites, and the Hittites, and the Perizzites, and the Canaanites, the Hivites, and the Jebusites: and I will cut them off. |
| 24 | Aza miankohoka eo anatrehan’ ny andriamanitr’ ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny. | Thou shalt not bow down to their gods, nor serve them, nor do after their works: but thou shalt utterly overthrow them, and quite break down their images. |
| 25 | Fa manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina. | And ye shall serve the Lord your God, and he shall bless thy bread, and thy water; and I will take sickness away from the midst of thee. |
| 26 | Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ ny taninao; hotanterahiko ny isan’ ny andronao. | There shall nothing cast their young, nor be barren, in thy land: the number of thy days I will fulfil. |
| 27 | Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho. | I will send my fear before thee, and will destroy all the people to whom thou shalt come, and I will make all thine enemies turn their backs unto thee. |
| 28 | Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny. | And I will send hornets before thee, which shall drive out the Hivite, the Canaanite, and the Hittite, from before thee. |
| 29 | Tsy handroaka azy eo alohanao amin’ ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia. | I will not drive them out from before thee in one year; lest the land become desolate, and the beast of the field multiply against thee. |
| 30 | Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany. | By little and little I will drive them out from before thee, until thou be increased, and inherit the land. |
| 31 | Ary hatramin’ ny Ranomasina Mena ka hatramin’ ny ranomasin’ ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin’ ny efitra ka hatramin’ ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin’ ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao. | And I will set thy bounds from the Red sea even unto the sea of the Philistines, and from the desert unto the river: for I will deliver the inhabitants of the land into your hand; and thou shalt drive them out before thee. |
| 32 | Aza manao fanekena aminy na amin’ ny andriamaniny ianao. | Thou shalt make no covenant with them, nor with their gods. |
| 33 | Tsy honina eo amin’ ny taninao ireny, fandrao hampanota anao amiko; fa raha manompo ny andriamaniny ianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany, | They shall not dwell in thy land, lest they make thee sin against me: for if thou serve their gods, it will surely be a snare unto thee. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL