출애굽기 24장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 18절
- 1 Ary hoy Izy tamin’ i Mosesy: Miakara ao amin’ i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;
- 2 nefa Mosesy ihany no hanakaiky an’ i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy.
- 3 Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin’ ny olona ny teny rehetra izay nataon’ i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’ i Jehovah dia hataonay.
- 4 Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon’ i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin’ ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin’ ny folo, araka ny firenen’ Isiraely roa ambin’ ny folo.
- 5 Ary ny zatovo amin’ ny Zanak’ Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr’ ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah.
- 6 Ary nalain’ i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin’ ny alitara.
- 7 Dia naka ny bokin’ ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan’ ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay sy hekenay.
- 8 Ary nalain’ i Mosesy ny rà ka natopiny tamin’ ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran’ ny fanekena izay nataon’ i Jehovah taminareo ny amin’ izany teny rehetra izany.
- 9 Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin’ ny loholon’ ny Isiraely.
- 10 Dia nahita an’ Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin’ ny tongony dia toy ny fanganohanon’ ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan’ ny lanitra ny famirapirany.
- 11 Ary tsy naninjitra ny tànany tamin’ ireo lehiben’ ny Zanak’ Isiraely Izy; dia nahita an’ Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.
- 12 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.
- 13 Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr’ Andriamanitra.
- 14 Ary hoy izy tamin’ ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin’ izy roa lahy izy.
- 15 Dia niakatra tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.
- 16 Ary ny voninahitr’ i Jehovah nitoetra teo ambonin’ ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an’ i Mosesy tamin’ ny andro fahafito teo afovoan’ ny rahona Izy.
- 17 Ary ny fijery ny voninahitr’ i Jehovah teo an-tampon’ ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ ny Zanak’ Isiraely.
- 18 Dia niditra tao afovoan’ ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin’ ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin’ ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗