출애굽기 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 10절
- 1 Fa Jehovah nilaza tamin’ i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin’ i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atỳ izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atỳ.
- 2 Koa mitenena amin’ ny olona, ary aoka ny lehilahy samy hangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena amin’ ny namany avy, ary ny vehivavy amin’ ny namany avy koa.
- 3 Dia nataon’ i Jehovah nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin’ ny tany Egypta, dia teo imason’ ny mpanompon’ i Farao sy teo imason’ ny vahoaka.
- 4 Ary hoy Mosesy: Izao no lazain’ i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan’ i Egypta,
- 5 dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny matoan’ i Farao izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny matoan’ ny ankizivaviny izay eo anilan’ ny fikosoham-bary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
- 6 Ary hisy fidradradradrana mafy eran’ ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony.
- 7 Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra, na amin’ ny olona, na amin’ ny biby, mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian’ i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.
- 8 Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin’ i Farao tamin’ ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
- 9 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan’ ny fahagagana izay hataoko eto amin’ ny tany Egypta.
- 10 Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin’ i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’ Isiraely hiala tamin’ ny taniny izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗