출애굽기 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 51절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona teo amin’ ny tany Egypta ka nanao hoe:
- 2 Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ ny taona ho anareo izy.
- 3 Mitenena ianareo amin’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin’ ny andro fahafolo amin’ ity volana ity dia aoka samy haka zanak’ ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak’ ondry iray avy no ho an’ ny isan-trano;
- 4 ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan’ ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak’ ondry.
- 5 Zanak’ ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ ny ondry na amin’ ny osy izy;
- 6 ary hotehirizinareo izy hatramin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ity volana ity; dia hamono azy amin’ ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
- 7 Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin’ ny tolam-baravarana roa sy amin’ ny tataom-baravaran’ ny trano izay hihinanany azy.
- 8 Dia hohaniny amin’ izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ ny afo no hihinanany azy mbamin’ ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ ny anana mangidy.
- 9 Aza hanina manta na voahandro amin’ ny rano izy, fa atsatsiho amin’ ny afo mbamin’ ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.
- 10 Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin’ ny afo.
- 11 Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’ i Jehovah.
- 12 Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’ izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ ny tany Egypta hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
- 13 Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
- 14 Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah; hatramin’ ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
- 15 Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ ny voalohan’ andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely.
- 16 Ary amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna ho anareo ary amin’ ny andro fahafito koa hisy fivoriana masìna; tsy hanao raharaha akory ianareo amin’ izany andro izany, afa-tsy izay hohanin’ ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
- 17 Ary hitandrina ny andron’ ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay.
- 18 Amin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan’ ny andro fahiraika amby roa-polo amin’ ny volana.
- 19 Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin’ ny fiangonan’ ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.
- 20 Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin’ izay itoeranareo rehetra avy ianareo.
- 21 Dia nampanalain’ i Mosesy ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.
- 22 Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin’ ny rà izay ao anatin’ ny bakoly ary ny rà izay ao anatin’ ny bakoly dia anenteno amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain’ ny andro.
- 23 Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
- 24 Ary hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an’ ny taranakareo mandrakizay.
- 25 Ary rehefa tonga any amin’ ny tany izay homen’ i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany.
- 26 Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’ izao fanompoana ataonareo izao?
- 27 dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’ i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
- 28 Ary dia nandeha ny Zanak’ Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy Arona no nataony.
- 29 Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ i Farao izay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany ka hatramin’ ny lahimatoan’ ny babo izay tao amin’ ny trano-maizina, mbamin’ izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
- 30 Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.
- 31 Dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin’ ny vahoakako ianareo sy ny Zanak’ Isiraely, ary mandehana ka manompoa an’ i Jehovah araka ny nolazainareo.
- 32 Ary ny ondry aman’ osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.
- 33 Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin’ ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.
- 34 Dia nentin’ ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin’ ny lambany teny an-tsorony.
- 35 Ary ny Zanak’ Isiraely nanao araka ny tenin’ i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin’ ny Egyptiana.
- 36 Ary nataon’ i Jehovah nahita fitia teo imason’ ny Egyptiana ny olona, ka nomen’ ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
- 37 Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’ Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
- 38 Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman’ osy sy omby, dia fananana be indrindra.
- 39 Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
- 40 Ary ny andro nitoeran’ ny Zanak’ Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
- 41 Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin’ izany andro izany indrindra no nivoahan’ ny antokony rehetra izay an’ i Jehovah tamin’ ny tany Egypta.
- 42 Alina notandreman’ i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin’ ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an’ i Jehovah ka hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely rehetra hatramin’ ny taranany fara mandimby.
- 43 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn’ ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
- 44 Ary ny andevolahin’ ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.
- 45 Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.
- 46 Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.
- 47 Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.
- 48 Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan’ i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
- 49 Lalàna iray no ho amin’ ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
- 50 Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy sy Arona no nataony.
- 51 Ary tamin’ izany andro izany indrindra no nitondran’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗