출애굽기 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 출애굽기 (Exodus) · 29절
- 1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mankanesa ao amin’ i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
- 2 ary mba holazainao ho ren’ ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
- 3 Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin’ i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
- 4 Fa raha mandà ka tsy mandefa ny oloko ianao, indro, hahatonga valala amin’ ny taninao rehetra Aho rahampitso;
- 5 dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan’ ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha;
- 6 dia hameno ny tranonao sy ny tranon’ ny mpanomponao rehetra ary ny tranon’ ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan’ ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr’ izay andro niainany tetỳ ambonin’ ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin’ i Farao.
- 7 Ary hoy ny mpanompon’ i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an’ i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?
- 8 Dia nisy nampiverina an’ i Mosesy sy Arona hankao amin’ i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an’ i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha?
- 9 Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman’ osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho an’ i Jehovah.
- 10 Fa hoy Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin’ ny zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo.
- 11 Tsy izany, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an’ i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan’ i Farao.
- 12 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro ambonin’ ny tany Egypta ny tananao hihavian’ ny valala, dia hiakatra ho eto amin’ ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin’ ny tany, dia izay rehetra sisan’ ny havandra.
- 13 Dia nahinjitr’ i Mosesy tambonin’ ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin’ ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana.
- 14 Ary ny valala niakatra ho amin’ ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany.
- 15 Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin’ ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan’ ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran’ ny tany Egypta rehetra, na tamin’ ny hazo, na tamin’ ny anana tany an-tsaha.
- 16 Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
- 17 Ary ankehitriny, masìna ianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.
- 18 Dia niala teo amin’ i Farao izy ka nangataka tamin’ i Jehovah.
- 19 Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin’ ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran’ ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
- 20 Nefa Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’ Isiraely izy.
- 21 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin’ ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
- 22 Dia nahinjitr’ i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran’ ny tany Egypta rehetra hateloana,
- 23 koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin’ izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak’ Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin’ ny fonenany.
- 24 Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an’ i Jehovah; fa ny ondry aman’ osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
- 25 Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an’ i Jehovah Andriamanitray;
- 26 ary ny omby aman’ ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an’ i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an’ i Jehovah mandra-pahatonganay any.
- 27 Ary Jehovah dia nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.
- 28 Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin’ izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao.
- 29 Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗