창세기 39장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 23절
- 1 Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan’ i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin’ ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.
- 2 Ary Jehovah nomba an’ i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon’ ilay Egyptiana tompony izy.
- 3 Ary hitan’ ny tompony fa nomban’ i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin’ i Jehovah avokoa teo aminy.
- 4 Ary Josefa nahita fitia teo imason’ ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.
- 5 Ary hatramin’ izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nananany dia notahin’ i Jehovah ny tranon’ ilay Egyptiana noho ny amin’ i Josefa; ary ny fitahian’ i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
- 6 Dia navelany ho andraikitr’ i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy.
- 7 Ary taorian’ izany ny vadin’ ny tompony nanopy ny masony hijery an’ i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko.
- 8 Dia nandà izy ka nanao tamin’ ny vadin’ ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa.
- 9 Tsy misy lehibe noho izaho raha amin’ ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin’ Andriamanitra?
- 10 Ary na dia niteny tamin’ i Josefa isan’ andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy.
- 11 Ary tamin’ ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’ izay.
- 12 Dia nisambotra azy tamin’ ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe: Avia handry amiko; fa navelan’ i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.
- 13 Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy,
- 14 dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin’ ny feo mahery aho;
- 15 ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano.
- 16 Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon’ i Josefa, mandra-pahatongan’ ny tompony tao an-trano.
- 17 Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy;
- 18 ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy.
- 19 Ary rehefa ren’ ny tompony ny tenin’ ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon’ ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.
- 20 Ary ny tompon’ i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran’ ny mpifatotra diso tamin’ ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy.
- 21 Nefa Jehovah nomba an’ i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason’ ny mpitandrina ny trano-maizina.
- 22 Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr’ i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony.
- 23 Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an’ i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’ i Jehovah.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗