창세기 38장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 30절
- 1 Ary tamin’ izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin’ ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
- 2 Ary teo no nahitan’ i Joda ny zanakavavin’ i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.
- 3 Dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
- 4 Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
- 5 Dia nanan’ anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin’ ny niterahan’ ny vadiny an’ i Sela.
- 6 Ary Joda naka vady ho an’ i Era lahimatoany, Tamara no anarany.
- 7 Fa ratsy fanahy teo imason’ i Jehovah Era, lahimatoan’ i Joda; dia novonoin’ i Jehovah izy.
- 8 Ary hoy Joda tamin’ i Onana: Vadio ny vadin’ ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.
- 9 Ary fantatr’ i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin’ ny vadin’ ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin’ ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an’ ny rahalahiny.
- 10 Ary ratsy teo imason’ i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
- 11 Ary hoy Joda tamin’ i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben’ i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
- 12 Ary rehefa ela, dia maty ny vadin’ i Joda, dia ilay zanakavavin’ i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon’ i Joda, dia niakatra tany amin’ ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany.
- 13 Dia nisy nanambara tamin’ i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
- 14 Ary nanaisotra ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin’ i Enaima, izay eo amin’ ny lalana mankany Timna; satria efa hitan’ i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen’ i Joda ho vadin’ i Sela izy.
- 15 Ary hitan’ i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
- 16 Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?
- 17 Dia hoy izy: Hampanatitra zanak’ osy avy amin’ ny ondry aman’ osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy?
- 18 Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan’ anaka taminy ravehivavy.
- 19 Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon’ ny mpitondratena indray.
- 20 Dia nampitondrain’ i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak’ osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
- 21 Dia nanontany ny olona teo amin’ ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
- 22 Dia niverina tany amin’ i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain’ ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.
- 23 Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak’ osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.
- 24 Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin’ i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan’ anaka tamin’ ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
- 25 Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin’ ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon’ ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon’ ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
- 26 Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’ i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
- 27 Ary tamin’ ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
- 28 Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan’ ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin’ ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
- 29 Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.
- 30 Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin’ ny tànany; dia nataony hoe Zera no anarany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗