창세기 35장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 29절
- 1 Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an’ Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan’ i Esao rahalahinao.
- 2 Dia hoy Jakoba tamin’ izay tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo;
- 3 ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an’ Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin’ ny andron’ ny fahoriako ary nomba ahy tamin’ ny lalana izay nalehako.
- 4 Dia natolony teo amin’ i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin’ i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’ i Sekema ireo.
- 5 Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin’ Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak’ i Jakoba izy.
- 6 Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin’ ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy.
- 7 Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran’ izany tany izany; fa teo no nisehoan’ Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan’ ny rahalahiny.
- 8 Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr’ i Betela, teo ambanin’ ny hazo ôka; ary ny anaran’ io dia nataony hoe Alona-bakota.
- 9 Ary Andriamanitra niseho indray tamin’ i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy.
- 10 Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.
- 11 Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin’ ny haterakao;
- 12 ary ny tany izay nomeko an’ i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany.
- 13 Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin’ ilay niresahany taminy.
- 14 Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin’ ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa.
- 15 Ary ny anaran’ ny tany izay niresahan’ Andriamanitra taminy dia nataon’ i Jakoba hoe Betela.
- 16 Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny.
- 17 Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao.
- 18 Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.
- 19 Dia maty Rahely ka nalevina teo amin’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
- 20 Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin’ ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin’ ny fasan-dRahely mandraka androany.
- 21 Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr’ i Migdaledera.
- 22 Ary raha nonina teo amin’ izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin’ i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.
- 23 Ary ny zanakalahin’ i Jakoba dia roa ambin’ ny folo mirahalahy: ny zanak’ i Lea dia Robena, lahimatoan’ i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
- 24 ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina;
- 25 ary ny zanak’ i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly;
- 26 ary ny zanak’ i Zilpa, ankizivavin’ i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’ i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia.
- 27 Ary Jakoba nankany amin’ Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian’ i Abrahama sy Isaka.
- 28 Ary ny andro niainan’ Isaka dia valo-polo amby zato taona.
- 29 Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin’ ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗