창세기 35장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 29절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an’ Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan’ i Esao rahalahinao. | And God said unto Jacob, Arise, go up to Beth–el, and dwell there: and make there an altar unto God, that appeared unto thee when thou fleddest from the face of Esau thy brother. |
| 2 | Dia hoy Jakoba tamin’ izay tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo; | Then Jacob said unto his household, and to all that were with him, Put away the strange gods that are among you, and be clean, and change your garments: |
| 3 | ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an’ Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin’ ny andron’ ny fahoriako ary nomba ahy tamin’ ny lalana izay nalehako. | And let us arise, and go up to Beth–el; and I will make there an altar unto God, who answered me in the day of my distress, and was with me in the way which I went. |
| 4 | Dia natolony teo amin’ i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin’ i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’ i Sekema ireo. | And they gave unto Jacob all the strange gods which were in their hand, and all their earrings which were in their ears; and Jacob hid them under the oak which was by Shechem. |
| 5 | Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin’ Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak’ i Jakoba izy. | And they journeyed: and the terror of God was upon the cities that were round about them, and they did not pursue after the sons of Jacob. |
| 6 | Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin’ ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy. | So Jacob came to Luz, which is in the land of Canaan, that is, Beth–el, he and all the people that were with him. |
| 7 | Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran’ izany tany izany; fa teo no nisehoan’ Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan’ ny rahalahiny. | And he built there an altar, and called the place El–beth–el: because there God appeared unto him, when he fled from the face of his brother. |
| 8 | Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr’ i Betela, teo ambanin’ ny hazo ôka; ary ny anaran’ io dia nataony hoe Alona-bakota. | But Deborah Rebekah’s nurse died, and she was buried beneath Beth–el under an oak: and the name of it was called Allon–bachuth. |
| 9 | Ary Andriamanitra niseho indray tamin’ i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy. | And God appeared unto Jacob again, when he came out of Padan–aram, and blessed him. |
| 10 | Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany. | And God said unto him, Thy name is Jacob: thy name shall not be called any more Jacob, but Israel shall be thy name: and he called his name Israel. |
| 11 | Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin’ ny haterakao; | And God said unto him, I am God Almighty: be fruitful and multiply; a nation and a company of nations shall be of thee, and kings shall come out of thy loins; |
| 12 | ary ny tany izay nomeko an’ i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany. | And the land which I gave Abraham and Isaac, to thee I will give it, and to thy seed after thee will I give the land. |
| 13 | Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin’ ilay niresahany taminy. | And God went up from him in the place where he talked with him. |
| 14 | Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin’ ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa. | And Jacob set up a pillar in the place where he talked with him, even a pillar of stone: and he poured a drink offering thereon, and he poured oil thereon. |
| 15 | Ary ny anaran’ ny tany izay niresahan’ Andriamanitra taminy dia nataon’ i Jakoba hoe Betela. | And Jacob called the name of the place where God spake with him, Beth–el. |
| 16 | Dia nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny. | And they journeyed from Beth–el; and there was but a little way to come to Ephrath: and Rachel travailed, and she had hard labour. |
| 17 | Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao; fa izato koa no zazalahy ho anao. | And it came to pass, when she was in hard labour, that the midwife said unto her, Fear not; thou shalt have this son also. |
| 18 | Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina. | And it came to pass, as her soul was in departing, (for she died) that she called his name Ben–oni: but his father called him Benjamin. |
| 19 | Dia maty Rahely ka nalevina teo amin’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany). | And Rachel died, and was buried in the way to Ephrath, which is Beth–lehem. |
| 20 | Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin’ ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin’ ny fasan-dRahely mandraka androany. | And Jacob set a pillar upon her grave: that is the pillar of Rachel’s grave unto this day. |
| 21 | Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr’ i Migdaledera. | And Israel journeyed, and spread his tent beyond the tower of Edar. |
| 22 | Ary raha nonina teo amin’ izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin’ i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely. | And it came to pass, when Israel dwelt in that land, that Reuben went and lay with Bilhah his father’s concubine: and Israel heard it. Now the sons of Jacob were twelve: |
| 23 | Ary ny zanakalahin’ i Jakoba dia roa ambin’ ny folo mirahalahy: ny zanak’ i Lea dia Robena, lahimatoan’ i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona; | The sons of Leah; Reuben, Jacob’s firstborn, and Simeon, and Levi, and Judah, and Issachar, and Zebulun: |
| 24 | ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjamina; | The sons of Rachel; Joseph, and Benjamin: |
| 25 | ary ny zanak’ i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly; | And the sons of Bilhah, Rachel’s handmaid; Dan, and Naphtali: |
| 26 | ary ny zanak’ i Zilpa, ankizivavin’ i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’ i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia. | And the sons of Zilpah, Leah’s handmaid; Gad, and Asher: these are the sons of Jacob, which were born to him in Padan–aram. |
| 27 | Ary Jakoba nankany amin’ Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona izany), izay nivahinian’ i Abrahama sy Isaka. | And Jacob came unto Isaac his father unto Mamre, unto the city of Arbah, which is Hebron, where Abraham and Isaac sojourned. |
| 28 | Ary ny andro niainan’ Isaka dia valo-polo amby zato taona. | And the days of Isaac were an hundred and fourscore years. |
| 29 | Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin’ ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zananilahy. | And Isaac gave up the ghost, and died, and was gathered unto his people, being old and full of days: and his sons Esau and Jacob buried him. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL