창세기 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 32절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary izao no taranaky ny zanakalahin’ i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian’ ny safo-drano. | Now these are the generations of the sons of Noah, Shem, Ham, and Japheth: and unto them were sons born after the flood. |
| 2 | Ny zanakalahin’ i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa. | The sons of Japheth; Gomer, and Magog, and Madai, and Javan, and Tubal, and Meshech, and Tiras. |
| 3 | Ary ny zanakalahin’ i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma. | And the sons of Gomer; Ashkenaz, and Riphath, and Togarmah. |
| 4 | Ary ny zanakalahin’ i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita. | And the sons of Javan; Elishah, and Tarshish, Kittim, and Dodanim. |
| 5 | Avy tamin’ ireo no niavakavahan’ ny nosin’ ny firenena tany amin’ ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin’ ny fireneny avy. | By these were the isles of the Gentiles divided in their lands; every one after his tongue, after their families, in their nations. |
| 6 | Ary ny zanakalahin’ i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana. | And the sons of Ham; Cush, and Mizraim, and Phut, and Canaan. |
| 7 | Ary ny zanakalahin’ i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin’ i Ragama dia Seba sy Dedana. | And the sons of Cush; Seba, and Havilah, and Sabtah, and Raamah, and Sabtecha: and the sons of Raamah; Sheba, and Dedan. |
| 8 | Ary Kosy niteraka an’ i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin’ ny tany. | And Cush begat Nimrod: he began to be a mighty one in the earth. |
| 9 | Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan’ i Jehovah, ka izany no nanaovan’ ny olona hoe: Tahaka an’ i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan’ i Jehovah. | He was a mighty hunter before the Lord: wherefore it is said, Even as Nimrod the mighty hunter before the Lord. |
| 10 | Ary ny niandohan’ ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin’ ny tany Sinara. | And the beginning of his kingdom was Babel, and Erech, and Accad, and Calneh, in the land of Shinar. |
| 11 | Ary nivoaka avy tamin’ izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an’ i Ninive mbamin’ i Rehobot-ira sy Kala | Out of that land went forth Asshur, and builded Nineveh, and the city Rehoboth, and Calah, |
| 12 | ary Resena teo anelanelan’ i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany. | And Resen between Nineveh and Calah: the same is a great city. |
| 13 | Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita | And Mizraim begat Ludim, and Anamim, and Lehabim, and Naphtuhim, |
| 14 | sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian’ ny Filistina ary ny Kaftorita. | And Pathrusim, and Casluhim, (out of whom came Philistim,) and Caphtorim. |
| 15 | Ary Kanana niteraka an’ i Sidona lahimatoany sy Heta, | And Canaan begat Sidon his firstborn, and Heth, |
| 16 | ary ny Jebosita, sy ny Amorita sy ny Girgasita | And the Jebusite, and the Amorite, and the Girgasite, |
| 17 | sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita | And the Hivite, and the Arkite, and the Sinite, |
| 18 | sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen’ ny Kananita. | And the Arvadite, and the Zemarite, and the Hamathite: and afterward were the families of the Canaanites spread abroad. |
| 19 | Ary ny fari-tanin’ ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin’ i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin’ i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboïma. | And the border of the Canaanites was from Sidon, as thou comest to Gerar, unto Gaza; as thou goest, unto Sodom, and Gomorrah, and Admah, and Zeboim, even unto Lasha. |
| 20 | Ireo no zanak’ i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin’ ny taniny, amin’ ny fireneny. | These are the sons of Ham, after their families, after their tongues, in their countries, and in their nations. |
| 21 | Dia niteraka koa Sema, rain’ ny zanak’ i Ebera rehetra rahalahin’ i Jafeta, izay zokiny. | Unto Shem also, the father of all the children of Eber, the brother of Japheth the elder, even to him were children born. |
| 22 | Ny zanakalahin’ i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama. | The children of Shem; Elam, and Asshur, and Arphaxad, and Lud, and Aram. |
| 23 | Ary ny zanakalahin’ i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy. | And the children of Aram; Uz, and Hul, and Gether, and Mash. |
| 24 | Ary Arpaksada niteraka an’ i Sela; ary Sela niteraka an’ i Ebera. | And Arphaxad begat Salah; and Salah begat Eber. |
| 25 | Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran’ ny iray natao hoe Palega, satria tamin’ ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran’ ny rahalahiny. | And unto Eber were born two sons: the name of one was Peleg; for in his days was the earth divided; and his brother’s name was Joktan. |
| 26 | Ary Joktana niteraka an’ i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera | And Joktan begat Almodad, and Sheleph, and Hazarmaveth, and Jerah, |
| 27 | sy Hadorama sy Ozala sy Dikla | And Hadoram, and Uzal, and Diklah, |
| 28 | sy Obala sy Abimaela sy Sheba | And Obal, and Abimael, and Sheba, |
| 29 | sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Joktana. | And Ophir, and Havilah, and Jobab: all these were the sons of Joktan. |
| 30 | Ary ny fonenan’ ireo dia hatrany Mesa ao akaikin’ i Sefara, tendrombohitra atsinanana. | And their dwelling was from Mesha, as thou goest unto Sephar a mount of the east. |
| 31 | Ireo no zanak’ i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin’ ny taniny, araka ny fireneny. | These are the sons of Shem, after their families, after their tongues, in their lands, after their nations. |
| 32 | Ireo no mpianakavin’ ny zanak’ i Noa, araka ny taranany, amin’ ny fireneny; ary avy tamin’ ireo no niavakavahan’ ny firenena tambonin’ ny tany taorian’ ny safo-drano. | These are the families of the sons of Noah, after their generations, in their nations: and by these were the nations divided in the earth after the flood. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL