전도서 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 전도서 (Ecclesiastes) · 17절
- 1 Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro; ary indro ny ranomason’ ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ ny tanan’ ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.
- 2 Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,
- 3 nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin’ ny masoandro akory.
- 4 Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ ny fifampialonan’ ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
- 5 Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.
- 6 Tsara ny eran-tànan’ ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.
- 7 Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin’ ny masoandro:
- 8 Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin’ ny harena, hanaovany hoe: Ho an’ iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
- 9 Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
- 10 Raha misy lavo izy, dia arenin’ ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.
- 11 Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?
- 12 Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
- 13 Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;
- 14 fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin’ alahelo tamin’ ny fanjakany aza izy.
- 15 Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atỳ ambanin’ ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo.
- 16 Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
- 17 Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon’ Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran’ ny adala fanatitra; fa tsy fantatr’ ireny ho manao ratsy izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗