전도서 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 전도서 (Ecclesiastes) · 22절
- 1 Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ ny lanitra:
- 2 Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena;
- 3 Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;
- 4 Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;
- 5 Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona;
- 6 Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;
- 7 Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;
- 8 Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.
- 9 Inona no soa azon’ ny miasa amin’ izay isasarany?
- 10 Efa hitako ny asa mampahory izay nomen’ Andriamanitra ny zanak’ olombelona hisasarany.
- 11 Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin’ ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ ny olona ny asan’ Andriamanitra hatramin’ ny voalohany ka hatramin’ ny farany.
- 12 Fantatro fa tsy misy tsara amin’ ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy.
- 13 Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’ Andriamanitra izany.
- 14 Fantatro fa izay rehetra ataon’ Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon’ Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.
- 15 Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin’ Andriamanitra indray izay efa lasa.
- 16 Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin’ ny masoandro: ny fitoeran’ ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran’ ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.
- 17 Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain’ Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
- 18 Hoy izaho anakampo: Noho ny amin’ ny zanak’ olombelona izany, mba hizahan’ Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.
- 19 Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak’ olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin’ izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ ny iray no ahafatesan’ ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan’ izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.
- 20 Izy rehetra samy mankamin’ ny fitoerana iray: avy tamin’ ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray izy rehetra.
- 21 Iza no mahalala ny fanahin’ ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin’ ny biby, na midìna amin’ ny tany izy, na tsia?
- 22 Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ ny olona amin’ ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗