전도서 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 전도서 (Ecclesiastes) · 17절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro; ary indro ny ranomason’ ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ ny tanan’ ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony. | So I returned, and considered all the oppressions that are done under the sun: and behold the tears of such as were oppressed, and they had no comforter; and on the side of their oppressors there was power; but they had no comforter. |
| 2 | Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona, | Wherefore I praised the dead which are already dead more than the living which are yet alive. |
| 3 | nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin’ ny masoandro akory. | Yea, better is he than both they, which hath not yet been, who hath not seen the evil work that is done under the sun. |
| 4 | Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ ny fifampialonan’ ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany. | Again, I considered all travail, and every right work, that for this a man is envied of his neighbour. This is also vanity and vexation of spirit. |
| 5 | Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany. | The fool foldeth his hands together, and eateth his own flesh. |
| 6 | Tsara ny eran-tànan’ ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana. | Better is an handful with quietness, than both the hands full with travail and vexation of spirit. |
| 7 | Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin’ ny masoandro: | Then I returned, and I saw vanity under the sun. |
| 8 | Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin’ ny harena, hanaovany hoe: Ho an’ iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany. | There is one alone, and there is not a second; yea, he hath neither child nor brother: yet is there no end of all his labour; neither is his eye satisfied with riches; neither saith he, For whom do I labour, and bereave my soul of good? This is also vanity, yea, it is a sore travail. |
| 9 | Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany. | Two are better than one; because they have a good reward for their labour. |
| 10 | Raha misy lavo izy, dia arenin’ ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy. | For if they fall, the one will lift up his fellow: but woe to him that is alone when he falleth; for he hath not another to help him up. |
| 11 | Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery? | Again, if two lie together, then they have heat: but how can one be warm alone? |
| 12 | Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina. | And if one prevail against him, two shall withstand him; and a threefold cord is not quickly broken. |
| 13 | Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony; | Better is a poor and a wise child than an old and foolish king, who will no more be admonished. |
| 14 | fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin’ alahelo tamin’ ny fanjakany aza izy. | For out of prison he cometh to reign; whereas also he that is born in his kingdom becometh poor. |
| 15 | Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atỳ ambanin’ ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo. | I considered all the living which walk under the sun, with the second child that shall stand up in his stead. |
| 16 | Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany. | There is no end of all the people, even of all that have been before them: they also that come after shall not rejoice in him. Surely this also is vanity and vexation of spirit. |
| 17 | Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon’ Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran’ ny adala fanatitra; fa tsy fantatr’ ireny ho manao ratsy izy. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL