전도서 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 전도서 (Ecclesiastes) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ ny lanitra: | To every thing there is a season, and a time to every purpose under the heaven: |
| 2 | Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana na nambolena; | A time to be born, and a time to die; a time to plant, and a time to pluck up that which is planted; |
| 3 | Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana; | A time to kill, and a time to heal; a time to break down, and a time to build up; |
| 4 | Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana; | A time to weep, and a time to laugh; a time to mourn, and a time to dance; |
| 5 | Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona; | A time to cast away stones, and a time to gather stones together; a time to embrace, and a time to refrain from embracing; |
| 6 | Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana; | A time to get, and a time to lose; a time to keep, and a time to cast away; |
| 7 | Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana; | A time to rend, and a time to sew; a time to keep silence, and a time to speak; |
| 8 | Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana. | A time to love, and a time to hate; a time of war, and a time of peace. |
| 9 | Inona no soa azon’ ny miasa amin’ izay isasarany? | What profit hath he that worketh in that wherein he laboureth? |
| 10 | Efa hitako ny asa mampahory izay nomen’ Andriamanitra ny zanak’ olombelona hisasarany. | I have seen the travail, which God hath given to the sons of men to be exercised in it. |
| 11 | Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin’ ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ ny olona ny asan’ Andriamanitra hatramin’ ny voalohany ka hatramin’ ny farany. | He hath made every thing beautiful in his time: also he hath set the world in their heart, so that no man can find out the work that God maketh from the beginning to the end. |
| 12 | Fantatro fa tsy misy tsara amin’ ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy. | I know that there is no good in them, but for a man to rejoice, and to do good in his life. |
| 13 | Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’ Andriamanitra izany. | And also that every man should eat and drink, and enjoy the good of all his labour, it is the gift of God. |
| 14 | Fantatro fa izay rehetra ataon’ Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon’ Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona. | I know that, whatsoever God doeth, it shall be for ever: nothing can be put to it, nor any thing taken from it: and God doeth it, that men should fear before him. |
| 15 | Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin’ Andriamanitra indray izay efa lasa. | That which hath been is now; and that which is to be hath already been; and God requireth that which is past. |
| 16 | Ary izao koa no efa hitako atỳ ambanin’ ny masoandro: ny fitoeran’ ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran’ ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao. | And moreover I saw under the sun the place of judgment, that wickedness was there; and the place of righteousness, that iniquity was there. |
| 17 | Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain’ Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra. | I said in mine heart, God shall judge the righteous and the wicked: for there is a time there for every purpose and for every work. |
| 18 | Hoy izaho anakampo: Noho ny amin’ ny zanak’ olombelona izany, mba hizahan’ Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy. | I said in mine heart concerning the estate of the sons of men, that God might manifest them, and that they might see that they themselves are beasts. |
| 19 | Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak’ olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin’ izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ ny iray no ahafatesan’ ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan’ izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra. | For that which befalleth the sons of men befalleth beasts; even one thing befalleth them: as the one dieth, so dieth the other; yea, they have all one breath; so that a man hath no preeminence above a beast: for all is vanity. |
| 20 | Izy rehetra samy mankamin’ ny fitoerana iray: avy tamin’ ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray izy rehetra. | All go unto one place; all are of the dust, and all turn to dust again. |
| 21 | Iza no mahalala ny fanahin’ ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin’ ny biby, na midìna amin’ ny tany izy, na tsia? | Who knoweth the spirit of man that goeth upward, and the spirit of the beast that goeth downward to the earth? |
| 22 | Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ ny olona amin’ ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany? | Wherefore I perceive that there is nothing better, than that a man should rejoice in his own works; for that is his portion: for who shall bring him to see what shall be after him? |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL