잠언 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 35절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa, | My son, if thou be surety for thy friend, if thou hast stricken thy hand with a stranger, |
| 2 | Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao, | Thou art snared with the words of thy mouth, thou art taken with the words of thy mouth. |
| 3 | Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan’ ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin’ ny namanao. | Do this now, my son, and deliver thyself, when thou art come into the hand of thy friend; go, humble thyself, and make sure thy friend. |
| 4 | Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao. | Give not sleep to thine eyes, nor slumber to thine eyelids. |
| 5 | Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin’ izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin’ ny tanan’ ny mpamandrika. | Deliver thyself as a roe from the hand of the hunter, and as a bird from the hand of the fowler. |
| 6 | Mandehana any amin’ ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre; | Go to the ant, thou sluggard; consider her ways, and be wise: |
| 7 | Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka, | Which having no guide, overseer, or ruler, |
| 8 | Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin’ ny fararano. | Provideth her meat in the summer, and gathereth her food in the harvest. |
| 9 | Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin’ ny torimasonao ianao? | How long wilt thou sleep, O sluggard? when wilt thou arise out of thy sleep? |
| 10 | Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory, | Yet a little sleep, a little slumber, a little folding of the hands to sleep: |
| 11 | Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy. | So shall thy poverty come as one that travelleth, and thy want as an armed man. |
| 12 | Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy, | A naughty person, a wicked man, walketh with a froward mouth. |
| 13 | Izay mami-maso sy manao famantarana amin’ ny tongony Ary manao baiko amin’ ny rantsan-tànany; | He winketh with his eyes, he speaketh with his feet, he teacheth with his fingers; |
| 14 | Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady. | Frowardness is in his heart, he deviseth mischief continually; he soweth discord. |
| 15 | Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana. | Therefore shall his calamity come suddenly; suddenly shall he be broken without remedy. |
| 16 | Izao enina izao no halan’ i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana: | These six things doth the Lord hate: yea, seven are an abomination unto him: |
| 17 | Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina, | A proud look, a lying tongue, and hands that shed innocent blood, |
| 18 | Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, | An heart that deviseth wicked imaginations, feet that be swift in running to mischief, |
| 19 | Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin’ ny rahalahy. | A false witness that speaketh lies, and he that soweth discord among brethren. |
| 20 | Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao. | My son, keep thy father’s commandment, and forsake not the law of thy mother: |
| 21 | Afatory amin’ ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao, | Bind them continually upon thine heart, and tie them about thy neck. |
| 22 | Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao. | When thou goest, it shall lead thee; when thou sleepest, it shall keep thee; and when thou awakest, it shall talk with thee. |
| 23 | Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan’ aina ny anatra famaizana, | For the commandment is a lamp; and the law is light; and reproofs of instruction are the way of life: |
| 24 | Hiarovana anao amin’ ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin’ ny fandroboan’ ny lelan’ ny vahiny janga. | To keep thee from the evil woman, from the flattery of the tongue of a strange woman. |
| 25 | Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin’ ny hodimasony izy. | Lust not after her beauty in thine heart; neither let her take thee with her eyelids. |
| 26 | Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan’ ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin’ ny vadin’ ny olona no mihaza ny aina soa. | For by means of a whorish woman a man is brought to a piece of bread: and the adulteress will hunt for the precious life. |
| 27 | Mahatondra afo ao an-tratran’ akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony? | Can a man take fire in his bosom, and his clothes not be burned? |
| 28 | Misy mahadia vain’ afo va, Ka tsy ho may ny tongony? | Can one go upon hot coals, and his feet not be burned? |
| 29 | Dia toy izany izay mankamin’ ny vadin’ ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy. | So he that goeth in to his neighbour’s wife; whosoever toucheth her shall not be innocent. |
| 30 | Tsy avelan’ ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza; | Men do not despise a thief, if he steal to satisfy his soul when he is hungry; |
| 31 | Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony. | But if he be found, he shall restore sevenfold; he shall give all the substance of his house. |
| 32 | Izay mijangajanga amin’ ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany. | But whoso committeth adultery with a woman lacketh understanding: he that doeth it destroyeth his own soul. |
| 33 | Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin’ ny tondro-molotra. | A wound and dishonour shall he get; and his reproach shall not be wiped away. |
| 34 | Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin’ ny andro hamaliany. | For jealousy is the rage of a man: therefore he will not spare in the day of vengeance. |
| 35 | Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza. | He will not regard any ransom; neither will he rest content, though thou givest many gifts. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL