잠언 5장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 23절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin’ ny fahalalako, | My son, attend unto my wisdom, and bow thine ear to my understanding: |
| 2 | Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman’ ny molotrao ny fahalalana. | That thou mayest regard discretion, and that thy lips may keep knowledge. |
| 3 | Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo; | For the lips of a strange woman drop as an honeycomb, and her mouth is smoother than oil: |
| 4 | Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela. | But her end is bitter as wormwood, sharp as a twoedged sword. |
| 5 | Ny tongony midìna ho any amin’ ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita. | Her feet go down to death; her steps take hold on hell. |
| 6 | Tsy mahazo mandia ny lalan’ aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany. | Lest thou shouldest ponder the path of life, her ways are moveable, that thou canst not know them. |
| 7 | Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin’ ny teny aloaky ny vavako. | Hear me now therefore, O ye children, and depart not from the words of my mouth. |
| 8 | Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran’ ny tranony; | Remove thy way far from her, and come not nigh the door of her house: |
| 9 | Fandrao omenao ho an’ ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an’ izay lozabe; | Lest thou give thine honour unto others, and thy years unto the cruel: |
| 10 | Fandrao hivokisan’ ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon’ ny vahiny; | Lest strangers be filled with thy wealth; and thy labours be in the house of a stranger; |
| 11 | Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao; | And thou mourn at the last, when thy flesh and thy body are consumed, |
| 12 | Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko, | And say, How have I hated instruction, and my heart despised reproof; |
| 13 | Ka tsy nihaino ny tenin’ ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy? | And have not obeyed the voice of my teachers, nor inclined mine ear to them that instructed me! |
| 14 | Efa saiky azon’ ny ratsy rehetra aho Tao amin’ ny fiangonana sy ny fivoriana. | I was almost in all evil in the midst of the congregation and assembly. |
| 15 | Misotroa rano avy amin’ ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin’ ny fantsakanao. | Drink waters out of thine own cistern, and running waters out of thine own well. |
| 16 | Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin’ ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao? | Let thy fountains be dispersed abroad, and rivers of waters in the streets. |
| 17 | Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin’ ny hafa. | Let them be only thine own, and not strangers’ with thee. |
| 18 | Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin’ ny vadin’ ny fahatanoranao. | Let thy fountain be blessed: and rejoice with the wife of thy youth. |
| 19 | Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin’ ny fitiavany ianao. | Let her be as the loving hind and pleasant roe; let her breasts satisfy thee at all times; and be thou ravished always with her love. |
| 20 | Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin’ ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran’ ny vahiny janga? | And why wilt thou, my son, be ravished with a strange woman, and embrace the bosom of a stranger? |
| 21 | Fa eo imason’ i Jehovah ny alehan’ ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa. | For the ways of man are before the eyes of the Lord, and he pondereth all his goings. |
| 22 | Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin’ ny fahotany no itanana azy | His own iniquities shall take the wicked himself, and he shall be holden with the cords of his sins. |
| 23 | Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben’ ny fahadalany. | He shall die without instruction; and in the greatness of his folly he shall go astray. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL