잠언 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 27절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara. | Hear, ye children, the instruction of a father, and attend to know understanding. |
| 2 | Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko. | For I give you good doctrine, forsake ye not my law. |
| 3 | Fa zanak’ ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason’ ineny. | For I was my father’s son, tender and only beloved in the sight of my mother. |
| 4 | Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao. | He taught me also, and said unto me, Let thine heart retain my words: keep my commandments, and live. |
| 5 | Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. | Get wisdom, get understanding: forget it not; neither decline from the words of my mouth. |
| 6 | Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao. | Forsake her not, and she shall preserve thee: love her, and she shall keep thee. |
| 7 | Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara. | Wisdom is the principal thing; therefore get wisdom: and with all thy getting get understanding. |
| 8 | Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao. | Exalt her, and she shall promote thee: she shall bring thee to honour, when thou dost embrace her. |
| 9 | Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao. | She shall give to thine head an ornament of grace: a crown of glory shall she deliver to thee. |
| 10 | Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao. | Hear, O my son, and receive my sayings; and the years of thy life shall be many. |
| 11 | Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin’ ny lalana mahitsy aho. | I have taught thee in the way of wisdom; I have led thee in right paths. |
| 12 | Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina. | When thou goest, thy steps shall not be straitened; and when thou runnest, thou shalt not stumble. |
| 13 | Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao. | Take fast hold of instruction; let her not go: keep her; for she is thy life. |
| 14 | Aza mankany amin’ ny alehan’ ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin’ ny lalan’ ny ratsy. | Enter not into the path of the wicked, and go not in the way of evil men. |
| 15 | Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora. | Avoid it, pass not by it, turn from it, and pass away. |
| 16 | Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany. | For they sleep not, except they have done mischief; and their sleep is taken away, unless they cause some to fall. |
| 17 | Fa mihinana ny mofon’ ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain’ ny fahalozàna. | For they eat the bread of wickedness, and drink the wine of violence. |
| 18 | Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro. | But the path of the just is as the shining light, that shineth more and more unto the perfect day. |
| 19 | Ny alehan’ ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy. | The way of the wicked is as darkness: they know not at what they stumble. |
| 20 | Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. | My son, attend to my words; incline thine ear unto my sayings. |
| 21 | Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao. | Let them not depart from thine eyes; keep them in the midst of thine heart. |
| 22 | Fa aina ho an’ ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ ny nofony rehetra. | For they are life unto those that find them, and health to all their flesh. |
| 23 | Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian’ ny aina. | Keep thy heart with all diligence; for out of it are the issues of life. |
| 24 | Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka. | Put away from thee a froward mouth, and perverse lips put far from thee. |
| 25 | Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao. | Let thine eyes look right on, and let thine eyelids look straight before thee. |
| 26 | Ataovy marina ny alehan’ ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra; | Ponder the path of thy feet, and let all thy ways be established. |
| 27 | Aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia; Esory amin’ ny ratsy ny tongotrao. | Turn not to the right hand nor to the left: remove thy foot from evil. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL