잠언 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 35절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; | My son, forget not my law; but let thine heart keep my commandments: |
| 2 | Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao. | For length of days, and long life, and peace, shall they add to thee. |
| 3 | Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka, | Let not mercy and truth forsake thee: bind them about thy neck; write them upon the table of thine heart: |
| 4 | Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona ianao. | So shalt thou find favour and good understanding in the sight of God and man. |
| 5 | Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao; | Trust in the Lord with all thine heart; and lean not unto thine own understanding. |
| 6 | Maneke Azy amin’ ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao, | In all thy ways acknowledge him, and he shall direct thy paths. |
| 7 | Aza manao anao ho hendry; Matahora an’ i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. | Be not wise in thine own eyes: fear the Lord, and depart from evil. |
| 8 | Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao. | It shall be health to thy navel, and marrow to thy bones. |
| 9 | Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra; | Honour the Lord with thy substance, and with the firstfruits of all thine increase: |
| 10 | Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao. | So shall thy barns be filled with plenty, and thy presses shall burst out with new wine. |
| 11 | Anaka, aza manamavo ny famaizan’ i Jehovah, Ary aza tofoka amin’ ny fananarany; | My son, despise not the chastening of the Lord; neither be weary of his correction: |
| 12 | Fa izay tian’ i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon’ ny ray amin’ ny zanaka tiany. | For whom the Lord loveth he correcteth; even as a father the son in whom he delighteth. |
| 13 | Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana. | Happy is the man that findeth wisdom, and the man that getteth understanding. |
| 14 | Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. | For the merchandise of it is better than the merchandise of silver, and the gain thereof than fine gold. |
| 15 | Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy. | She is more precious than rubies: and all the things thou canst desire are not to be compared unto her. |
| 16 | Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia. | Length of days is in her right hand; and in her left hand riches and honour. |
| 17 | Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra. | Her ways are ways of pleasantness, and all her paths are peace. |
| 18 | Hazon’ aina ho an’ izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra. | She is a tree of life to them that lay hold upon her: and happy is every one that retaineth her. |
| 19 | Fahendrena no nanorenan’ i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra. | The Lord by wisdom hath founded the earth; by understanding hath he established the heavens. |
| 20 | Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin’ ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin’ ny rahona. | By his knowledge the depths are broken up, and the clouds drop down the dew. |
| 21 | Anaka, aoka tsy hiala amin’ ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava, | My son, let not them depart from thine eyes: keep sound wisdom and discretion: |
| 22 | Ka dia ho ain’ ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao, | So shall they be life unto thy soul, and grace to thy neck. |
| 23 | Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao. | Then shalt thou walk in thy way safely, and thy foot shall not stumble. |
| 24 | Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao. | When thou liest down, thou shalt not be afraid: yea, thou shalt lie down, and thy sleep shall be sweet. |
| 25 | Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany; | Be not afraid of sudden fear, neither of the desolation of the wicked, when it cometh. |
| 26 | Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika. | For the Lord shall be thy confidence, and shall keep thy foot from being taken. |
| 27 | Aza mamihina ny soa amin’ izay tokony homena azy, Raha azon’ ny tananao atao ihany; | Withhold not good from them to whom it is due, when it is in the power of thine hand to do it. |
| 28 | Aza manao amin’ ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao. | Say not unto thy neighbour, Go, and come again, and to morrow I will give; when thou hast it by thee. |
| 29 | Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy. | Devise not evil against thy neighbour, seeing he dwelleth securely by thee. |
| 30 | Aza miady amin’ olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy. | Strive not with a man without cause, if he have done thee no harm. |
| 31 | Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory, | Envy thou not the oppressor, and choose none of his ways. |
| 32 | Satria fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin’ ny marina kosa ny fisakaizany. | For the froward is abomination to the Lord: but his secret is with the righteous. |
| 33 | Ny ozon’ i Jehovah dia ao an-tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan’ ny marina dia tahìny kosa. | The curse of the Lord is in the house of the wicked: but he blesseth the habitation of the just. |
| 34 | Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra. | Surely he scorneth the scorners: but he giveth grace unto the lowly. |
| 35 | Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran’ ny adala. | The wise shall inherit glory: but shame shall be the promotion of fools. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL